Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 10h15
 

Teny zato, kabary arivo

Ifandroritana Iarivo

mercredi 28 novembre 2007 | Penjy R.

Ny ora fisokafan’ny fampielezan-kevitra no nandrasana dia lasa izao, hoy ilay fomba fiteny izay, ary dia nanaraka ny arabe ny fanohanana ny kandida manerana ny faritry Iarivo omaly. Izay nivoaka babany avokoa, ary hifampiderana ny mahatanora ahavita hanarina an’ity renivohitra ity. Tsara izany fandraisana andraikitra izany, satria renivohitra tsy natao ho an’olotokana ity fa an’ny malagasy tsy vaky volo. Tsy hidirana lalina ny fampanantenana nataon’ny kandida tsy azo tanterahina ao anatin’ny fotoana fohy kanefa dia nisy ny sahy mbola nanao izany, ary ny tsikaritra ny omaly io dia ny fahaizan’ireto kandida ireto nitandrina ny tsy hifamely fantsy mafy loatra amin’izao fanombohana izao. Ifandroritana Iarivo, ary tsy misy maharatsy izany, kanefa aoka ho tsaroan’ny rehetra fa efa fotoana fandrosoana izao fa tsy fihemorana intsony, ka dieny izao, dia mahaiza mandanjalanja izay avoakan’ny vava sao tafakatry ny avo vao potraky ny natao ka ho nenina handatsa hanapotika ny fiainana manontolo no hiseho.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS