Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 03h57
 

Teny zato, kabary arivo

Te-ho vedety

jeudi 15 novembre 2007 | Penjy R.

Mba gaga ihany ny maro raha mahita ireto kandida hafa te-hilatsaka ho ben’ny tanàna sy mpanolon-tsaina manerana ny faritra maro eto Madagasikara, kanefa na ny bileta ho fidian’ny vahoaka aza zara raha vita. Toerana iray tsy lavitra ny Renivohitra no ahitana fa taratasy tsotra fotsy misy fitomboka no mba bileta ho ben’ny tanàna sy ho an’ireo mpanolon-tsaina. Ny finiavana hampandroso tanàna angamba betsaka fa ny ho enti-manana no tsy misy ? Ny hafa dia toa atao kilalao ny filatsahana ho fidiana, ka sitrany ahay angamba mba tsy ho voakosoka ao anatin’ny tantara hoe iny efa nilatsaka ho fidiana fa tsy lany. Te-ho vedety e ! Ekena fa maro no tsy fantatra raha nirotsaka ho fidiana tany am-boalohany saingy iza no tsy mahalala azy amin’izao fotoana nefa tsy ny 12 andro kely hanaovana fampielezan-kevitra no aharesy lahatra ny mpifidy hifidy anao. Mba manao ahoana re raha toa ka tanteraka teo ilay bileta tokana notakian’ny maro ho hampiharina teto e ? Azo antoka fa mety ho ny isan-toakatrano mihitsy angamba no nirotsaka.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS