Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 07h40
 

Malagasy

Mpiasa an-trano

Avy any Ambatolampy ny 65%

samedi 27 décembre 2008 | Penjy R.

Zaro amin’ny làlana tokony ho izy ny ankizy. Manana adidy lehibe amin’io ny ray aman-dreny, ka tsy tokony atao an-kinanga. Mazàna dia ny ankizy mitoetra irery amin’ny ray na reny, vokatry ny fisarahan’ny mpivady no tena hipetrahan’ny fahasahiranana noho ny tsy fahampian’ny fitiavan-dray sy reny amin’ilay zaza.

Na mitoetra anilan’ny ray sy reny ihany koa aza anefa ny ankizy, dia matetika ny mpanampy no mikolokolo ireny zaza ireny, satria miasa ny ankamaroan’ny mpivady, ka tsy azo avela irery ireto kilonga ireto. Midika io, fa izay fanabeazana ataon’ilay mpanampy ao an-trano no hianaran’ilay zaza. Hatraiza anefa ny fari-pahaizan’ireny olona alaina hiasa an-trano ireny ?

Raha ny fanadihadiana natao tamin’ny tokan-trano vitsivitsy teto an-dRenivohitra, dia tsapa, fa ny 65% ny ankizy avy ao Ambatolampy no miasa an-trano eto sy ny manodidina. Eo amin’ny Ar15 000 ka hatramin’ny Ar 20 000 ny hakarama azy ireny. Mitaiza zaza sy manatitra mpianatra, ary mahandro sakafo no ataony amin’io karama io. Ny 20% ny ankizy miasa an-trano kosa dia avy ao Ambositra. Ny avy any Ambositra kosa, dia manodidina ny efatra alina ariary (40 000Ar) ny karaman’izy ireo. Mitovy amin’itsy ambony itsy ny asa ataony, saingy miampy fanasana lamba. Ary ny farany kosa, dia avy any Mahitsy. Lafo karama ny ao, ka aleon’ny olona manome saran-dàlana olona hafa haka mpanampy avy any amin’ireo toerana voalaza etsy ambony ireo.

Liana ahita an’Iarivo

Raha ny fanadihadiana natao ihany, dia maro amin’ireo olona avy any an-toerana lavitra ireo no maniry hiasa aty an-dRenivohitra. Ny asa an-trano no làlana afahana miakatra aty Iarivo. Miasa efa-bolana ao amin’ny fianakaviana iray anefa izy ireny, dia mivadika any amin’ny orinasa afaka haba. Manofa trano 30 000 Ar (telo alina ariary) izy ireo, izay ahitana efitra kely iray, miampy lakozia kely sy trano fivoahana hitambarana amin’ny daholo be dia efa vita ny fonenana vaovao. Tsy ho gaga isika raha maro amin’izy ireny ny olona avy any ambanivohitra no miasa amin’ireny orinasa ireny. Manambady aty izy ireo, ary miteraka. Maka olona avy any aminy indray izy ireo, hitaiza ny zanany eto, ary dia toy izay hatrany tranga miseho.

Hafa ihany i Neny

Tsy misy afa-tsy ny reny niteraka ihany no tena loharan’ny fampandrosoana ny ankohonana. Izy no nitondra folo volana ny zaza, ary mahalala ny maharary ny zanany. Ny lafiny fanabeazana io, dia miainga amin’ny fatahorana ilay nahary. Ny fahadiovan’ny zaza ihany koa dia voara-maso tsara. Ny fitiavan-dreny dia mitoetra ao anatin’ilay ankizy. Firy amin’ny tokan-trano Malagasy anefa no afaka manao izany amin’izao fianana sarotra izao ? Mila ezaka anefa ny fianakaviana amin’io sehatra iray io, satria làlana iray hitarafana ny ho avin’ny ankizy any aoriana any ny toy izany. Ny mifanohitra amin’io kosa, dia tsy ho gaga ianao, raha vao zaza vao mianatra miteny, dia efa miteniteny foana, satria izay tian’ny mpitaiza hampianarina azy no ataony. Tsy midika akory izany fa fositra ny ankizy alaina hiasa an-trano, fa maro amin’izy ireny kosa, no zara raha nandia kilasy. Midika io fa izay fahalala kely hananany no hampianariny izay olona tezainy. Ny fahombiazana tsara indrindra, dia zarina fahalalam-pomba ihany koa ny ankizy hiasa ao aminao, ary dia ho lavorary ny fianam-pianakaviana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS