Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 04h07
 

Malagasy

Fanalefahan-tsazy ho an’ny gadra

Mamelà ny helony fa tsy fantany izay nataony

vendredi 12 décembre 2008 | Penjy R.

Miditra an-tsehatra amin’ny fangatahana famelan-tsazy ho an’ny gadra rehetra eto Madagasikara ny mpanao politika vitsivitsy. Tsy famotsoran-keloka faobe, fa famindram-po, toy ny fanaon’ny filoham-pirenena isaky ny faran’ny taona.
Tsy dia hita firy intsony izy io tao ho ao, ka izay no nahatonga ny andiana tanora niroso amin’ity hetsika ity. Taona vitsy lasa izay, dia niroso nanantona ireny fikambanana miaro ny zon’ny voafonja ireny ireto mpikambana ao amin’ny antoko politika vitsivitsy ireto. Niray làlana nanatona mpitondra fivavahana izy ireo, ka ireo gadra tsy mamerina heloka no voakasiky ity fangatahana ity. Nanantona ny filohan’ny Antenimieran-doholona teo aloha izy ireo, saingy tao no rava ny faniriana amin’ity hetsika ity.

Ankehitriny, dia tsy kivy izy ireo, ka nalefa mivantana any amin’ny filoham-pirenena ny fangatahana. Ny valiny sisa andrasana. Tsara ny milaza, fa ny depiote Zakahely ihany koa, dia efa nandefa fifonana any amin’ny filoham-pirenena Ravalomanana, volana vitsy lasa izay. Ny andefimandriny no nitondra io, ary nahazo izany avokoa ny ankamaroan’ny filohan’andrim-panjakana eto.

Ho hita eo

Misy mpanao politika maro, izay tsy namerin-keloka, voatana eny am-ponja amin’izao fotoana miteny izao. Eo amin’ny taona iray eo ho eo sisa dia ho vita ny saziny. Raha hanome fanalefahan-tsazy toy ny mahazatra ny filohan’ny Nosy amin’ny faran’ny taona izao, dia ho maro no ho afaka amin’ny gadrany. Midika ve ity fangatahana nalefa eny Ambohitsorohitra ity, fa mety hifandray amin’izay fanampahan-kevitry ny filoha amin’ny kabariny ny faran’ny taona izao ? Ho hita eo, fa ny maro, dia miantso ny hifamelana amin’ny izay vita. Sambatra ny mamela heloka fa ho voavonjy izy, ary mamelà ny helony fa tsy fantany izay nataony, hoy ny tenin’ny soratra masina izay.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS