Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 03h50
 

Malagasy

Farimbon’i Madagasikara vaovao

« Ataon-dRavalo « vitrine » ny antoko politika »

lundi 15 décembre 2008 | Penjy R.

« Tsy ho eny Iavoloha izahay ato amin’ny Farimbon’i Madagasikara vaovao », hoy i Pierre Andrianantenaina. Ny antony, dia toa fisehoana ivelany no betsaka fa tsy ny tena ahasoa ny fanaovana politika eto. Mirotoroto ny mpitondra hanao ity sata ity, saingy izay ve no maika ? Ny maharototra ny olona izao araka ny hevitry ny « Farimbon’i Madagasikara vaovao », dia ny fijerena ny fahoriam-bahoaka sy ny fametrahana ny fandriam-pahalemana. Ny Etika politika no tokony himasoana fa tsy ny lalàna hifehy ny antoko politika. Ilaina maika ihany koa ny famotsorana ny gadra politika, ary ny tokony averina ny fifidianana, ary ny bileta tokana no ampiasaina. « Asakasaky izay ho eny », hoy ny fara-teny namaranan’ity mpanao politika ity ny resany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS