Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 16h50
 

Malagasy

Alatsinainy Bakaro

Olona 250 voapoizina

jeudi 8 janvier 2009 | Penjy R.

Fifaliana amin’ny fiaraha-misakafo no naleha, nefa aretina no azo. Marary mafy ny olona miisa 250 ao Alatsinainy Bakaro raha nihinana sakafo tao amin’ny FJKM Anjozoro ny alahady atoandro lasa teo. Composé no sakafo fampidirana voalohany, ary vita io, dia naroso ny vary sy laoka, ka hena omby no nilaofana ny vary. Taorian’io, dia ripaky ny aretina ny iray trano.

Nifamonjena ny toeram-pitsaboana, saingy tsy naharaka izany ny mpitsabo tany an-toerana. Nandoa sy nivalana ny iray trano. Tsy naharaka ny fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana. Nanao antso avo taty an-dRenivohitra haingana ireo tompon’andraikitra any amin’io kaominina io, satria ambivitra ny ain’ireto vahoaka ireto. Tsy voafaritra mazava kosa anefa hatreto na nisy aina nafoy na tsia, fa efa nandefa mpitsabo any Alatsinainy Bakaro ny avy eo anivon’ny faritra Analamanga sy ny ny minisiteran’ny Fahasalamana namonjy haingana ireto olona ireto.

Ny fokontany Antevana sy Anjozoro no tena voa mafy amin’ity fihinanana sakafo niteraka aretina ity.

Mamely ny aretin’omby

Mandeha ny tombatomban’ny mponina any Alatsinainy Bakaro, fa mety ho aretina avy amin’ny omby no nahatonga izao fahavoazana izao. Niarahan’ny maro nahita ny fahavoazana tany amin’iny faritry Fianarantsoa iny. Raha ilay sakafo fampidirana, hoy ireo fianakavian’ny mponina tratry ny aretina, dia tsy nisy atahorana na ny atody nampiasaina na ny fahadiovana ihany koa. Efa mandeha ny fanadihadiana ataon’ny mpitsabo, ka ho hita eo ny marina. Mbola miady amin’ny aretina avokoa ireo mponina 250 ireo amin’ny fotoana hanoratanay izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS