Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 17h10
 

Malagasy

Hery Rafalimanana

Tsy lavo fa potraka

lundi 8 décembre 2008 | Penjy R.

Herintaona izay no naharesy ahy teo amin’ny fifidianana, herintaona ihany koa nangalako fisainana lalina. Ampy izay ny fahanginako, ka hanehoako ny tena marina. Io no nambaran’ingahy Hery Rafalimanana tao amin’ny Aceem Radio ny faran’ny herinandro teo. Nilaza izy tamin’izany fa adinon’ny TIM tanteraka ny tenany taorian’iny fifidianana ho Ben’ny tanàna ny taona 2006 iny. Ampy hisainako ny nataon’ity antoko ity ahy. Teknisianina tao amin’ny Magro aho no nantsoina ho kandidà ho Ben’ny tanàna. Manana andraikitra lehibe amin’ny tsy nahalany ahy izahay rehetra. Politika no nahalavo ahy, ary tsy maintsy politika no hiarenako.

« Tsy lavo aho fa potraka », hoy ity filohan’ny delegasiona manokana teto amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra teo aloha ity. Toa manome tsiny avy hatrany ny antoko TIM ny tenany tamin’ny fitsabahana be loatra nandritra ny fifidianana izay ho Ben’ny tanàna farany teo ireny. Tsy TIM aho, fa mpiasan’ny MAGRO hoy ihany izy.

Hanangana fikambanana aho mba hanampiako ny sahirana. Hirona any amin’ny sehatry ny asa soa, ary heverina fa hanana andraikitra goavana momba ity sosialy ity aho rehefa ho tonga ny fotoana ahazoako toerana indray. Momba ny zava-misy eto amin’ny tanànan’Antananarivo, dia nambarany, fa aleo hiasa ny Ben’ny tanàna Andry Rajoelina. Manana ny politika nandreseny lahatra ny vahoaka teto andrenivohitra izy, ka miandry izany ny vahoaka. Vonona ny hanome hevitra ny TGV koa ny lehilahy raha ilaina, fa tsy marisika ny hiditra hiara-mitantanana ao raha toa ka antsoin’i Andry Rajoelina hiara-hiasa aminy.

Raha iny fanambarana nataon’ingahy Hery Rafalimanana iny no atao indray mijery, dia tapaka hatreo ny fiarahany miasa amin’ny fitondrana. Mihevitra ny hanomana ny ho avy politikany izy manomboka izao. Hanao ahoana anefa no mety ho fitiavan’ny vahoaka azy amin’izay ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS