Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 09h01
 

Malagasy

Fampihavanam-pirenena

Voadaka ny fanirian’ny CRN

lundi 15 décembre 2008 | Penjy R.

Tsy isan’ny ho dinihana ao anatin’ny sata hifehy ny antoko politika ny resaka fampihavanam-pirenena sy ny raharaha 2002. Toy izany koa ny famoahana ireo gadra politika eto amintsika sy ny famerenana ny fifidianana. Saika fangatahan’ny CRN avokoa ireo.

Voadaka hatreto ny fanirian’ny CRN izay tarihin’ny Profesora Zafy Albert. Mirona betsaka amin’ireo fitakiana ireo tokoa ny hetsiky ny CRN, ary nanambara izy ireo fa tsy handray anjara amin’io fivoriana io, raha toa ka tsy voavaha ireo fangatahany ireo.

Ny andraikitry ny antoko politika eo amin’ny fampandrosoana sy eny anivon’ny fiaraha-monina no isan’ny hevi-dehibe ho dinihana amin’ny alarobia izao. Eo ihany koa ny resaka momba ny tokony hanenàna ny isan’ny antoko eto na tsia. Atsimo sy Avaratra eto izany ny hevitry ny mpitondra sy ny ekipan’i Profesora Zafy Albert. Toa tsy mety hiray làlana tokoa ny hevitr’izy roa ireto e ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS