Very maina ny ezaka atao eto, raha tsy voajery haingana ity resaka vidin-tsolika eto Madagasikara ity. Ny antony, dia voalaza fa tafakatra 7,5% ny fisondrotry ny harin-karena eto amintsika. Tsy hita anefa ny fiantraikany izy io noho ny afitsoky ireto goaibe mpanafatra solika vahiny ireto.
Nidina 45 dolara ny vidin’ny barilan’ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, nefa mbola zara raha nahitana fidinany ny vidiny eto amintsika. Midika izany fa misy fitiavan-tena ny ataon’izy ireo, hoy ny filoha lefitry ny Grad Iloafo, Razafimahefa Herimanana. Tsentsafin’ny vidin’ny solika ny toe-karena Malagasy, ka tsy hita mipaka any amin’ny fiainam-bahoaka io tahan’ny toe-karena miakatra io. Tokony averina eo amin’ny fanjakana ny fanafarana itony solika itony, mba ahafahana mametra ny tena vidiny eto an-toerana. Manampy trotraka ity vidin’ny solika ity ihany koa ny ataon’ny banky eto amintsika, izay vahiny no mitantanana azy. Fampindramam-bola kely no atao, nefa midangana ny zana-bola alainy.
Vonona ny vahoaka
Manoloana ireo, dia ny fananana angovo no tokony ho atao laharam-pahamehana, hoy ity filoha lefitra eo anivon’ny Grad Iloafo ity. Vonona ny vahoaka hanohana ny ezaka hataon’ny fanjakana amin’ny mety fanerena ireto vahiny diso manararaotra ny Malagasy amin’ity vidin-tsolika eto amintsika ity. Terena no tokony ho atao azy ireo, fa ampy izay ny fiangaviana ny hamerenana ny vidin’ny solika amin’ny laoniny. Ar 2000 latsaka no tokony ho vidiny eny amin’ny mpaninjara. Hanaraka ny fidinan’io avokoa ny vidin’entana rehetra eto raha tanteraka izany. Hita fa mbola fehezin’ny vahiny ny toe-karena malagasy, ary manaiky izany isika matoa manao izay tiany atao izy ireo. Tsara ny milaza fa efa nitana andraikitra lehibe teo anivon’ny minisiteran’ny Angovo sy ny Harena ankibon’ny tany, Razafimahefa Herimanana, taona vitsy lasa izay, ka mahalala tsara ny mety ho vidin’ity solika ity.