Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 09h32
 

Malagasy

Finoana sy politika

Voahilika ny sekta

jeudi 11 décembre 2008 | Penjy R.
Izy no Pasteur Mailhol, anisan’ny mpitarika ny Apokalipsy. (Sary tahiry)

Tsy olom-pirenena ve izahay fiangonana ivelan’ny FFKM ? Fanontaniana miendrika taraina no nataon’ireo fiangonana hafa ivelan’ny FFKM, raha nandre fa nantsoin’ny filoha Ravalomanana ireo fiangonana efatra lehibe eto amintsika ny talata lasa teo.

Manana ny hevitra ahafahana mampandroso ny firenena izahay. Tsy ho latsa-danja amin’izay efa fanehoan-kevitra nataon’ny hery samy hafa ny anay raha eo amin’ny lafiny politika. Ny mampalahelo anefa dia toa heverin’ny sasany fa fiangonana « kely » izahay, ka ireo mivondrona ao anatin’ny FFKM ihany no toa « raiamandreny » afaka hifanakalozana hevitra. Ho an’ny fiangonana Apokalipsy tarihan’i Pasitera Mailhol, dia nanambara fa manana mpino aman’aliny maro miparitaka eran’ny nosy izy ireo. Malagasy feno, ary mizaka izany zom-pirenena ireto mpino ireto. 12 taona izao no nijoroan’ity fiangonana Apokalipsy ity, ary olona 300 isam-bolana no vita batisa. Tsy azo hambara ho kely izany, hoy ity pasitera ity.
Momba ilay fihanaombe ho atao ny 17 desambra izao, dia vonona ireto fiangonana tsy miankina ireto handray anjara toy ny FFKM raha antsoina. Raha tsy ilaina kosa, dia andraikitry ny fanjakana izany.

Tsy azo ambara ho kely

Raha tombanana tokoa dia miparitaka eran’ny nosy ny fiangonana tsy miankina. Zanam-piangonana, hoy ny hafa, ary ny sasany kosa miantso azy ireo hoe « sekta ». Tafiditra ao anatin’izany ny « Jesosy Mamonjy », ny « Apokalipsy », « Rhema », « Shine », « Foyer Evangelika », « FPVM » sy ny maro tsy ho voatanisa, satria efa mila hitovy amin’ny isan’ny antoko politika eto ny isan’ireto zanam-piangonana nivoaka tao amin’ny FFKM ireto. Tsy azo hambara ho kely ireo raha ny fahitana ny mpino manaraka azy. Efa nisy tany aloha tany ny fikasan’ireto fiangonana ireto hanajoro fikambanana toy ny FFKM saingy tsy mbola tanteraka izany hatramin’izao. Asa na noho ny fitoriana ny Filazantsara samy manana ny azy no tsy dia hiraisan-kevitra ? Tsy izao fikasana ny hanao ny fihaonambe ny 17 desambra momba ny fiainam-pirenena sy ny politika izao ihany no mahatsiaro voahilika ireto fiangonana ireto, fa hatramin’ny fanampiana izay ataon’ny fanjakana ny fiangonana eo anivon’ny FFKM. « Tsy manana alahelo amin’ity fiangonana efatra ireto izahay », hoy ireo mpitandrina hafa tafaresaka taminay, « fa mba tokony ho mira lenta ny fanampiana ny mpino tsy ankanavaka eto amintsika ».

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS