Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 13 août 2022
Antananarivo | 01h25
 

Malagasy

Vondron’ny mpanohitra

Hanapoaka ny sarom-bilany

lundi 29 décembre 2008 | Penjy R.

Heverin’ireto mpanohitra ireto ho fanomezana omena ny fitondrana ankehitriny amin’io taona ho avy io ny fanapoahana ny sarom-bilany. Ny datin’ny 13 janoary sisa handrasan’izy ireo, dia lasa izao, hoy ireo mpivory. Fantatra ihany koa fa efa misy ny komity najoron’izy ireo hanainga ny vahoaka isam-pokontany, rehefa tonga ny fotoana. Ingahy Andry Rajoelina, izay nahazo vaton’Antananarivo nandritra ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna no lasa kankana tsy fidiny hanjonoana ny fon’ny mponina eto. Hanaiky izany ve anefa ny vahoaka ?

Toa tsy maha-taitra ny olona intsony ny fandrenesana resaka korontana ho atao eto. Iza no ahita tombontsoa ao anatin’ny firenena mikorontana ? Ny hanina ho hanina anio aza efa manahirana, hoy ny maro, ka izay olona very seza rehetra izao ve no andeha hamonoanay tena eny an-kianja.

Kianjan’ny demokrasia

Etsy Ambohijatovo no toerana noheverin’ireo mpanolon-tsainan’ny kaominina eto an-dRenivohitra ho hametrahana ilay "Kianjan’ny demokrasia". Anio no voatondro fa hametrahana ny fangatahana eny anivon’ny Préfet de Police eto an-dRenivohitra. Isan’ny nankasitraka izany ireto vondron’ny mpanohitra ireto nivory ny sabotsy teo ireto. Ny tsy voafaritra mazava kosa hatreto, dia ny hoe ho voafehin’izy ireo ve ny tendrom-po tsy mba namana mety hitranga rehefa hamory vahoaka izy ireo ? Toa miendrika fihantsiana ny fitondrana ny nametrahana izany, satria handray ny andraikiny ny mpitandro ny filaminana, ka eo no hiatombohan’ny korontana rehetra.

Ho potika ny toe-karena

Rehefa misy ny korontana, dia hisy fiantraikany lehibe eo amin’ny fiainam-bahoaka sy ny toe-karena izany. Efa tafakatra hatrany amin’ny 7,5% ny tahan’ny harin-karena eto Madagasikara, raha niainga ambanin’ny aotra izany ny taona 2002 nisian’ireny krizy teto ireny. Maro ny ezaka natao, ary mbola be ireo tsy nahafa-po ny olona, indrindra ny resaka sosialy. Mahatsapa izany ny mpitondra, ary isan’ny nanaovana ilay jery todika tao anatin’ny loabary an-dasy farany teo izany. Miaiky ny rehetra fa ny ho tsara noho ny anio no tanjon’ny vahoaka matoa mitady isan’andro, saingy hiova amin’izany ve ny fiainany raha toa ka mitranga ny savorovoro, indrindra fa olona efa teo amin’ny fitondrana avokoa iretsy mikasa hanao fitaovana an’ingahy ben’ny tanàna iretsy ? Moa mba tsapan’ingahy ben’ny tanàna ve ny fanosehana ataon’ny mpanohitra azy ho an’ny amin’ny làlan’ny korontana ?

Hafa ny omaly sy ny anio

Hiroso tsy ho ela any amin’ny taona vaovao isika. Taona izay hitodian’ny firenena maro eran-tany aty Madagasikara. Midika izany fa hanana ny maha-izy azy eo anatrehan’izao tontolo izao isika, raha tsy hiteny afa-tsy ny resaka fizahan-tany fotsiny. Ho liana amin’ireo harena voajanahary maro be tsy fahita eran-tany ny vahiny. Tsy Ravalomanana no halaza amin’io, fa i Madagasikara iray manontolo. Hametraka fanamby isika eto Madagasikara, fa firenena hendry sy miray hina no eto, fa tsy firenena mikorontana no hitsenana vahiny. Hafa ny omaly sy ny anio. Tsara ny fanoherana, ary ilaina ny fanehoan-kevitra, saingy tsy ny korontana no amboara entina hampiakatra ny farim-piainan’ny isan-tokan-trano. Aseho ny hevitra hiarahana midinika, fa làlana iray ahafahan’ny mpitondra manitsy ny diany ny toy izany. Izay ilay fahaiza-mihaino tsara hanan’ny mpitondra, ary ny ho entina ihany koa ahay hanaja ny fifandimbiasan-toerana.

Publicité




Publicité

Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS