Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 23h28
 

Malagasy

Depiote Jules Andriamaholison

Tsy azo atao sorona ny toe-karena

mercredi 31 décembre 2008 | Penjy R.

Ampy izay. Tsy hanaiky ho atao fitaovan’ny mpanao politika hitadiavana toerana intsony ny mponina eto Iarivo. Ny fampandrosoana izao no maika, fa tsy ny hidirana indray ao anatin’ny ady saritaka izay tsy nahitana tombontsoa hatramin’izay. Io no nambaran’ny depiote Jules Andriamaholison, izay voafidy teto amin’ny boriborintany voalohany.

Manomboka miarin-doha izao ny toe-karena. Samy mahatsapa izany isika rehetra. Mitodika aty Madagasikara, ny mason’izao tontolo izao, satria handray ilay fivoriana in-droa miantoana isika ato ho ato. Tsy endrika ratsy no aseho izao tontolo izao, fa vahoaka hendry sy milamina ary liam-pandrosoana. Izay no handraisanay fepetra hentitra amin’ny fanazavana ny saim-bahoaka amin’ny tsy ho fanekena ny vahoaka ho atao fitaovana politika toy ny hita hatramin’izay. Manana andraikitra lehibe amin’ny fiarovana ity tanàna ity izahay olom-boafidy eto.

Momba ny filazana fa hanangana « kianjan’ny demokrasia » ny mpanohitra, dia nanambara ihany ity depiote ity, fa misy ny demokarsia eto, satria maro be ireo haino aman-jery ahafahan’ny olom-pirenena maneho ny heviny eto. Ny mihoam-pefy kosa, dia misy lalàna mamaritra izany eto. Fanehoan-kevitra tsy misy toy ny tamin’ny 17 desambra lasa teo, saingy nahoana no tsy sahy niady hevitra ireto olona milaza fa voatampim-bava ireto. Tsotra ny tanjon’izy ireo, hoy ingahy dokotera Jules, fa miroborobo ny toe-karena eto, ka misy te-hanapotika indray io, satria very tombontsoa ireo mpanohitra ireo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS