Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 10h42
 

Malagasy

Dinika eny Iavoloha anio

Tsy hiandry izay tsy vonona ny filoha

mercredi 17 décembre 2008 | Penjy R.

Tsy naharototra ny antoko politika ny antso nataon’ny filoha Ravalomanana, amin’ny dinika ho atao eny Iavoloha anio. Hametraka ny sata hifehy ny antoko politika ny tanjona anio, nefa maro ireo antoko milaza tsy ho eny.
Tao anatin’izay fotoana vitsy nanaovan’ny filoha Ravalomanana antso avo izay, dia efa fantatra ireo antoko tsy ho eny Iavoloha anio. Isan’io ny CRN, tarihan’ny Profesora Zafy Albert. Ny Akfm misy an-dramatoa Gisèle Rabesahala, ny « Fihavanantsika » tarihan’ny pasitera Daniel Rajakaoba, ny SPDUN izay ingahy Lahiniriko Jean no filohany. Ny antoko AVI izay nihemotra tamin’ny ora farany noho ny fanakatonana ny fahitalavitra VIVA. Ingahy Norbert Lala Ratsirahonana ihany koa dia lasa any ivelany ny alatsinainy teo. Ny Farimbon’i Madagasikara vaovao misy an’i Pierre Andrianantenaina. Ny RPSD ahitana an’i Marson Evariste, ny antoko Arema miaraka amin’i Pierre Holder, ny Federalista misy an’i Tabera Randriamantsoa. Ny « Analamanga » miaraka amin’ingahy Avonel, ny « Herivelona Rasalama » ihany koa izay ingahy Avonel Andriantsilavo no voasoratra mitarika azy.

Ireo vonona hiady hevitra

Ireo ho antoko ho eny Iavoloha kosa dia ny antoko MFM miara-diaa amin’i Manandafy Rakotonirina. Ny Arema Matotra misy an’i Pierre Raharijaona, ny antoko MFM/3FM misy an’i Satrobory, ny antoko TEZA miaraka amin’i Moxe Ramandimbilahitra. Ny antoko Grad Iloafo misy ny loholona Rabetsitonta, ny PRM misy an’i Ralison Roger, ny « Tambatra », izay ny filohany mbola migadra eny Tsiafahy, Pety Rakotoniaina, ka ny solontenany no ho eny. Ny AKFM Fanavaozana miaraka amin’i Pasitera Andriamanjato Richard.

Ireto kosa ny antoko tsy hay na ho eny na tsia, satria manjavozavo be ihany no momba azy ireo. Ny RPSD vaovao misy an’i Voninahitsy izay migadra eny Tsiafahy, ny AME izay tarihan’i Raveloson Clément. Ny « Madagasikarantsika » misy an-dRamatoa Elia Ravelomanantsoa. Ny antoko MONIMA tarihan’ingahy Monja Roindefo.

Ireo no fantatra tamin’ny fotoana nanoratanay, ka mbloa mety misy ny hiova hevitra amin’ny ora farany.

Hatreto aloha, dia tsy miandry izay tsy vonona ny filoha Ravalomanana, fa dia hiroso amin’ny ady hevitra izy ireo anio.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS