Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 16h36
 

Teny zato, kabary arivo

Izay manan-tsofina aoka ihaino

mercredi 10 décembre 2008 | Penjy R.

Misy fotoanany ny zava-drehetra. Tonga ny fotoana afahana mihaino ireo tsy mitovy hevitra rehetra eto amin’ny firenena. Tsapa amin’ny antso avo ataon’ny filoham-pirenena momba ny handinihana haingana ny sata hifehy ny antoko politika eto Madagasikara.

Io tokoa angaha ny làlana ahafahana miroso any amin’ny fampandrosoana, satria raha tsy tafapetraka ny fitoniana politika, dia ho zava-poana avokoa ny ezaka rehetra izay ho atao. Raha vao nandray fahefana ny filoha Ravalomanana ny taona 2002, dia efa maro no nilaza ny tokony hirosoana amin’io. Isan’ny fangatahan’ny maro ny hanaovana ny fampihavanam-pirenena. Tsy mbola tanteraka io hatramin’izao. Taona 2008, maika ny hirosoana amin’io, satria antoky ny filaminana hoy Ravalomanana. Tsy rototra intsony anefa ny ankamaroan’ny mpanohitra sy ny fiaraha-monim-pirenena nitaky izany tany aloha. Inona no ambadiky izao sangodim-panina politika izao hoy ny mpitazana ? Mahatsapa ve ny mpitondra, fa isan’ny antony iray tsy nahatafatsangana ny rindrina sy ny tafo tao anatin’ny dimy taona voalohany ny tsy firosoana tamin’io ? Raha ny hita, dia mivory tsy tapaka izay mahatsapa fa manana andraikitra politika eo amintsika. Ny fanapahan-kevitra ho raisin’izy ireo ho hita eo ihany. Ny alarobia 17 desambra ity manatona ihany, ka sao ela fidona vao hilaozan’ny sasany. Izay manan-tsofina aoka ihaino, fa aza minia manome lamosina, satria ho voarakitra ho tantara ny zava-drehetra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS