Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 10h27
 

Malagasy

Mahantra ny tantsaha

Miditra an-tsehatra ny mpanam-bola

mercredi 10 décembre 2008 | Penjy R.

Ny 80% eto Madagasikara dia hambara ho tantsaha. Ny 75% ny Malagasy ihany koa anefa, dia hambara fa miaina ao anatin’ny fahantrana. Midika izany fa mahantra ireo tena mivelona ao anatin’ny fambolena, dia ireo Malagasy tena miaina any ambanivolo rehetra any.

Antony maro no fantatra fa mahatonga izany. Eo ny olana eo amin’ny fananan-tany. Sahirana ireo tantsaha vao tena mahazo tany afaka ho volena. Tsy ampy ihany koa ny fotodrafitr’asa afahan’ny tantsaha tena mivelona amin’ity fambolena ity. Ny tsy fahampian’ny toha-drano amin’ny faritra maro. Ny zezika izay hiarahana mahita fa lafo ny vidiny. Na dia miroso amin’ny fanamorana ity farany aza ny fanjakana, dia mbola tsy tafa-paka any amin’ny ankamaroan’ny tantsaha izany. Ireo mivondrona ao anaty kaoperativa no tena mahita tombony betsaka amin’io.

Miakatra antanàn-dehibe ny tantsaha

Tsapa fa tsy mahavelona ny mponina any ambanivolo intsony ny tany izay ananany. Raha tanimbary afahana manao ketsa valo vavy no misy, dia tsy mahavelona fianakaviana iray intsony io, na dia miroso amin’ny ambara ho manaram-penitra aza. Manomboka mitady làlana aty an-drenivohitra ny tantsaha. Miasa amin’ny orinasa afaka haba, na ihany koa manao varotra madinika etsy Analakely sy Andravoahangy na Isotry sy Behoririka ry zareo. Misy ihany koa no manao asa an-trano ny ankamaroany. Tsy azo adika ho mandao ny tany nahabe azy kosa anefa izy rehetra fa ao ny manabe voa ny tanindrazany. Hatreto, dia ny 54% ny mponina ambanivolo no miakatra antanàn-dehibe manao iretsy voalaza etsy ambony ireo. Tsy mahavelona ny fambolena hoy izy ireo, ka aleo mitady izay azo avadika ho vola haingana, satria sarotra ny fiainana. Ny mpanam-bola amin’ny tanàn-dehibe kosa, dia manomboka mitodika any ambanivohitra amin’izao fotoana izao. Miroso amin’ny fambolena izy ireo, ka ireny tany midadasika ireny no hifantohan’ny asa. Manana ny vola azo ampiasaina izy ireny, ka mora ho azy no manao toha-drano, mampiasa trakitera sy ny masomboly voafantina, ary ny zezika lafo vidy.

Voly fanondrana

Mazana dia ireo voly azo avadika ho vola vahiny no hifantohan’izay asa izay. Ny vanila sy ny voly ahazoana menaka manitra no hita ho ataon’izy ireny. Tsy latsa-danja amin’io ny voly katsaka, satria any Etazonia, dia efa miroso amin’ny fikaroana ny fanodinana ho solika ny katsaka ry zareo. Miditra an-tsehatra ihany koa ny orinasa vahiny, izay manofa ireny tany ireny, ka fambolena goavana no hifantohan’ny asa. Ao Tsiroanomandidy, dia efa miditra amin’ity fambolena goavana ity ny mpanam-bola eto an-toerana. Ny tena tantsaha tompon-tany kosa, dia mbola ny tany nolovaina tamin’ny andron’i Dadabe sy Bebe ihany no mbola volena, ka io no atao izay ahavelona fianakaviana.

Fepetra noraisin’ny fanjakana ny hanampiana ny tantsaha amin’ny fomba rehetra. Namoraina ny fahazoana ny tany. Nentanina ny vahoaka hiverina any amin’ny fambolena. Hatreto anefa, dia toa tsy mahatamana ny olona firy intsony izany, satria ny filàna rehetra, dia any antanàn-dehibe avokoa no ahitana izany. Ny jiro, ny serasera, fialam-boly, fitiavana sy ny rendrarendra rehetra, dia saika hita aty an-drenivohitra avokoa. Zary toerana fakana rivotra sisa ny any ambanivohitra. Tsy ho gaga angamba isika raha manomboka tery ny renivohitra no ireo antony maro samy hafa ireo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS