Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 03h19
 

Malagasy

« Fiverenana Andoharano »

Aleo hilamina dia misesy

samedi 10 janvier 2009 | Penjy R.

Mbola misy raiamandreny azo hianteherana ve etoamin’ny firenena ? Tsy ho avelanay ho potiky ny ady an-trano ny firenena Malagasy, hoy ny komity nasionaly mpamolavola “Ny “Fiverenana Andoharano”.

Ny volana Aogositra no efa nanao antso avo teto amin’ny tanindrazana izahay, ka nahatonga ireo olobe isaky ny faritra nanao kaikavo ireo fotsy volo, toy ny tany Amoron’i Mania, ny hazo lava toy ny tany Toliara, ny tany Toamasina nanao barara. Midika izany, fa tsy hisy hifandraisany amin’ny hetsika politika izay tian’ny sasany atao eto izao hetsika hamerenana an’Andoharano izao. Io no nambaran’i José Razafimandimby, izay isan’ireo mpikarakara ny hetsika raha nihaona tamin’ny mpanao gazety tetsy tetsy amin’ny “Le Maestro” Betongolo omaly.

“Masina sy be vonihaitra ny fiainampirenena ka tsy sandaina amin’ny tombontsoan’olom-bitsy, hoy izy ireo. Ity fiverenan’Andoharano ity, dia voalaza fa tadidon’ny lasa, satria firenena efa nanana ny rafim-piaraha-monina isika talohan’ny andron’ny fanjanahan-tany”. Rehefa nanjaka teto ny Frantsay, dia nisy ny fomba nitantanany antsika. Tato afara dia niditra tamin’ny sosialisma sy ny demokarsia ary ny liberalisma. Sahirana hatrany anefa ny fifandraisan’ny vahoaka sy ny mpitondra. Rehefa nandinika ireto komity ireto, dia ny fiverenana amin’Andoharano no tsara indrindra. Nanana ny soa toavina isika, ary nipetraka hatrany ilay teny hoe valala iray hifanapahana, ary tondro tokana tsy mahazo hao. Io no làlana tsara indrindra hialana amin’ny fahapotehana, ka aloe haverina dien’izao.

Ny teny hierana nampirindra ny fiaraha-monina ka nahavitana ny lemaky Betsimitatatra isan-karazany no fototra maha-iray antsika, ary tsy hianteherana amin’ny any ivelany ny famerenana izany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS