Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 00h27
 

Malagasy

Herim-panoherana

Hanao fotoam-bavaka iraisana etsy Mahamasina ?

lundi 22 décembre 2008 |  1155 visites  | Penjy R.

Eto no ivon’ny hetsika rehetra momba ny raharaham-pirenena. Izay mitranga eto, dia manaraka avokoa ny any amin’ny faritany. Taorian’ny zava-nisy ny herinandro lasa teo, dia tazana eto avokoa ireo mpitarika politika rehetra avy any amin’ny faritra samy hafa. Ny antony, dia miandry izay hitranga eto, ka hanamafy tosika izay hiseho.

Raha vao nivory niaraka tamin’ny mpanohitra tokoa ingahy Andry Rajoelina, dia efa tafapaka any amin’ny faritra samy hafa sahady izany. Misy mihitsy ny mikasa ny hametraka ny fikambana TGV any amin’ny faritra any, na dia mbola tsy tonga amin’izany aza ny tanjon’ny filoha mpanorina azy.

Ny an’ity farany aloha hatreto, dia ny fitakiana ny hanokafana ny fahita lavitra izay azy no maika. Eo ihany koa ny famelàna azy hiasa am-pilaminana sy ny ahafahan’ny rehetra maneho hevitra tsy misy sakana na fisamborana. Ny fanjakana kosa etsy ankilany, dia toa miandry kendritohina izay ho fihoaram-pefy ataon’ingahy ben’ny tanàna. Indrindra fa taorian’ny nilazany fa hametraka ny kianjan’ny demokrasia eto an-dRenivohitra izay izy ireo.

Atomboka amin’ny vavaka

Vita izay ny fampahafantarana ny fitambaran’ny hery rehetra amin’ny vahoaka. Hitohy ny hetsika rehetra araky ny efa nambaran’izy ireo tamin’ny haino aman-jery isan-karazany. Heno izao fa mety, hanao fotoam-pivavahana iraisana ireto vondromben’ny mpanohitra ireto amin’izao ankatoky ny fetin’ny Noely izao. Vavaka natao ho an’ny firenena izy io, ary ny fanirian’ny mpikatroka sasany dia ho atao eny amin’ny kianjan’ny Mahamasina. Misy kosa anefa no manambara fa aleo aloha entanina amin’ilay fanehoan-kevitra goavana ny mponina vao miroso amin’io. Fanirian’ireo antoko politika sasany ireo, izay ho entina ao anatin’ny fivoriany amin’ity herinandro ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS