Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 01h51
 

Malagasy

Tonga i Andry Rajoelina

Nahazo tso-drano avy any ivelany

mardi 6 janvier 2009 | Penjy R.

Tsy misy antony tsy hamahan’ny fanjakana ny fitakiana izay napetrakay. Io no nambaran’ny ben’ny tanàna, i Andry Rajoelina manoloana ny fitakiana izay tsy maintsy hilam-baliny hatramin’ny 13 janoary ho avy izao.

Raha nigadona teto an-tanindrazana tokoa ny ben’ny tanàna, i Andry Rajoelina, dia nanambara fa nihaona tamin’ireo ankolafin’olona maro tany ivelany. Manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny eto Madagasikara no anton’izany fihaonana izany. Ny rivotra azo tamin’izao fialantsasatra izao, ary ny tso-drano azo. Fantatra tokoa fa samy nitso-drano azy avokoa ny ankamaroan’ireo olona nihaona taminy tany Paris. Isan’ireo ny mpitondra teo aloha.

Ny asa tsy arahim-bavaka hono tsy mahomby, koa araky ny efa nambara teto, dia tsy maintsy atao ilay fotoam-bavaka lehibe etsy Ambohijatovo ny alahady tolan-kandro ho avy izao. Hiarahany amin’ny vahoaka rehetra tsy ankanavaka io.

Fantatra fa tsy hihemotra amin’ny fitakiana izay efa napetrany ingahy ben’ny tanàna, ary efa vonona ny hanohana azy avokoa ireo mpanara-dia azy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS