Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 03h44
 

Teny zato, kabary arivo

Nangingina…

jeudi 18 septembre 2008 | Hery A.

Tsy faly indray ny mpanao politika sasany fa rava hatreo ny nofinofy efa lasa lavitra. « Ho raikitra ity ! » hoy ny sasany « nanaraom-pako » tamin’iny raharahan’ny kaominina sy ny Samva ary ny fanjakana iny. Ny fidinana eny amin’ny kianjan’ny 13 mey sisa no nandrasana dia vaky indray ny sarom-bilany. Indrisy ! lasa nanaraka ny mpamorona azy iny tononkalo iny. Sarotra ny hino fa hisy afaka handimby an’i Rado, nahazo fandresena tamin’ny alalan’ny asa soratra.

Ny ben’ny tananan’Antananarivo nantenaina ho japiana ity toa nifanaraka amin’ny mpitondra fanjakana indray ka tapaka teo koa iny lalana saika ho diavina iny. Nilamina ny raharaha. Faly kosa ireo mpisolelaka fa niori-paka ny seza efa nitsingilahila. Tokony hisy vokatra tsara amin’izay kosa eo amin’ny lafiny fampandrosoana. Tsy ny fako ihany akory no mitaky asa isan’andro fa na ity lafiny fandriampahalemana ity aza dia mila fiaraha-miasa, indrindra ny eto an-drenivohitra. Saika ianteherana amin’ny andrimasom-pokonolona mantsy ny fandriampahalemana kanefa toa tsy mahazo fiofanana akory izy ireny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS