Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 06h13
 

Malagasy

Belo amoron’i Tsiribihina

Matin’ny aretina ny kisoa

jeudi 2 octobre 2008 | Hery A.

Tandindonin-doza indray ny fiompiana kisoa any amin’ny distrikan’ny Belo amoron’i Tsiribihina any. Araka ny vaovao azo dia tao anatin’ny andro vitsy monja no naharipaka ny kisoa ompiana any an-toerana. Hatramin’izao dia kaominina roa no nahazoana vaovao ka nahafantarana fa matin’ny aretina avokoa ny kisoa. Rha tsiahivina ny fisehon’ny aretina dia saika mitovitovy amin’ilay aretina pesta indray mandeha izay. Isan’andro mantsy dia voalazan’ny mpampita vaovao fa misy kisoa voan’ilay aretina, ary tsy maharitra andro iray dia maty.

Tsy misy ny vahaolana hatramin’izao, indrindra ho an’ireo mpiompy kisoa amin’ny manodidina. Misy dokoteram-biby any an-toerana, saingy very hevitra ihany koa noho ny tsy fisian’ny fanafody. Hatreto aloha dia tsy nandrenesana olona nifindran’ny aretina. Misy mihinana mantsy ny henan’ny kisoa maty, sady misy mivarotra mora eny an-tsena. Na izany aza dia tsy fantam-pihaviana ny aretina ka tokony halevina haingana ny biby matin’ny aretina.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS