Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 14h52
 

Malagasy

Mpanendaka sy mpanao sinto-mahery

Jiolahy iray no maty voatifitra

mercredi 24 septembre 2008 | Hery A.

Jiolahy iray tokony ho 30 taona no maty voatifitry ny polisin’ny GIR, teny Isotry omaly maraina tokony ho tamin’ny 10 ora. Rotidrotiky ny bala ity jiolahy ity.

Nanamafy ny mpitandro filaminana nanao ny fisavana azy, fa nahitana basy fohy marika MAB teny aminy, niaraka tamin’ny bala roa. Afa-nandositra ny namany, izay tsy fantatra mazava ny isany. Raha ny fanamarihan’ireo polisy, dia mitondra sakaosy avokoa izy ireo.

Efa niparitaka ny laza ratsin’ireto jiolahy ireto eny amin’iny faritra iny. Isan’andro, dia maharay fitarainana hatrany ny polisy amin’ny fanendahana sy sinto-mahery ataon’izy ireo. Na fiara mandalo aza, hoy ny fanambarana azo, dia mbola hitan’izy ireo ihany ny hirika hamelezana azy. Vao niainga teny amin’ny « muraille de chine » ireto jiolahy ireto, dia efa nandeha ny feo hoe miala any ry zalahy. Nivonona avy hatrany ireo polisy niandry teny an-toerana, ary nitsongo dia azy ireo. Tampoka teo anefa, dia rifatra nandositra avokoa izy rehetra raha vao nahatazana ny polisy. Raikitra ny fifanenjehana, ka teo no nahalavo an’io iray io.

Eny amin’ny tranom-patin’ny HJRA ankehitriny ny razana, Tsy fantatra izay tany niaviany sy ny momba azy. Mitohy kosa ny fikarohana ny naman’izy ireo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS