Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 17h01
 

Malagasy

Antsiranana

Tranom-bazaha iray no may

mardi 7 octobre 2008 | Hery A.

Na dia teo aza ny avonavona sy tsy fahaizan’ity vazaha iray monina ao Antsiranana dia mba niezaka namonjy ny voina nahazo azy ihany ny fokonolona. Tamin’ny alahady teo mantsy dia nisy zavatra nipoaka in-telo tao amin’ny trano iray anatin’ny tanana’ity vazaha ity ary niteraka fahamaizan’ny kaontenera miisa 5 teo an-tokotaniny. Raha nikasa hamonjy indrindra anefa ny vahoaka no noroahan’ity vazaha. Nihitatra ny afo ka hany herin’ny fokonolona dia niantso ny mpamonjy voina tao amin’ny ADEMA. Voavonjy ny afo, ary toa vao mainka nampisehoan’ity vazaha ny hambom-pony ny vahoaka ka nampisehoany ny fahaizany miavonavona.

Etsy ankilany kosa dia mbola tsy tonga ny fiara famonjena hain-trano avy atsy amin’ny Nosy La Réunion. Efa nanolo-tanana amin’ny fanafainganana ny fahatongavan’io any Antsiranana ny praiminisitra tamin’ny fotoana nandalovany tany, saingy nambaran’ny ben’ny tanana tamin’izay fotoana izay fa vitany haingana io. Marihana anefa fa toa tsy sarotra ny mamoaka ny entana eny amin’ny ladoany satria tsy andoavana haban-tseranana ny entana tahaka itony.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS