Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 15h10
 

Teny zato, kabary arivo

Voaroaka tsy fidiny

vendredi 19 septembre 2008 | Hery A.

Manao ny fanisana ny mpivarotra amoron-dalana ny kaominina Antananarivo ary nampanantena fa hampidirina ho ara-dalàna ireo mpivarotra ka hanome tsena hivarotana. Fanavotana tokoa tsy misy ohatr’ity satria mba misy mpandraharaha mahatsapa ihany fa tsy safidin’ny malagasy akory ny hivarotra amoron-dalana. Fantatry ny ben’ny tanana fa ireo mpiasan’ny orinasa afakaba voaroaka tato ho ato noho ny fikatonan’ny orinasa no nampitombo isa ny mpivarotra amoron-dalana. Tao anatin’ny 15 andro farany dia tanora miisa 6000 no indray tsy an’asa, mbola hiampy 40 000 eo ho eo ny mpiasan’ny afakaba ho tsy an’asa, afaka roa volana monja, satria mbola hikatona koa ny orinasa afakaba sasany. Fara asa izany mivarotra amoron-dalana izany ho an’ny malagasy sasany ka, midika fahaverezana ny fikatonan’ny orin’asa niasany. Amin’izao fotoana izao aloha dia ho voaisan’ny kaominina izay mirotsaka amin’ity tsena andalambe ity. Tsy ho hay ny filaminana amin’ity satria maro amin’ireny mpivarotra amoron-dalana ireny koa no mpiasam-panjakana amperinasa.

Midika izany fa tsy mandeha tsara ny lafiny ara-barotra ka mampandositra ireo mpampiasa vola, na mety hisy hanao ampihimamba koa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS