Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 05h37
 

Malagasy

Vary

350 Ariary ny kapoaka any Alaotra

lundi 13 octobre 2008 | Hery A.

Manomboka miakatrakatra ny vidin-tsakafo eto Madagasikara amin’izao fotoana alohan’ny fahavaratra izao. Raha ny any amin’ny faritra Alaotra, anisan’ny sompitry ny vary voalohany eto Madagasikara, dia efa mananika ny ar 350 hatramin’ny ar 380 ny vidin’ny vary fotsy makalioka, iray kapoaka. Ny eto an-drenivohitra koa dia tsy mitsaha-miakatra, satria tao anatin’ny herinandro izay, dia miakatra Ar 10 isan’andro ny vary iray kapoaka. Araka izany dia maro ny fianakaviana efa mirona amin’ny fihinanana hanikotrana toy ny vomanga sy mangahazo ary katsaka, sns... Maro ny fianakaviana tsy mihinam-bary amin’ny antoandro fa vitan’ireo hanikotrana sy ny mitsakotsako eny an-dalana eny. Saika efa ahitana ny hanikotrana eny amoron-dalana eny, raha tokony ho any anatin’ny tsena no ahitana azy, araka ny mahazatra.

Hampaka-bidy

Ny vomanga aloha no mora indrindra satria ar 100 dia efa mahazo vomanga iray toko. Ny mangahazo lena kosa dia ar 200 ny iray toko, ary ny mangahazo maina dia ar 300 hatramin’ny ar 400 ny iray kilao. Inoana fa hampaka-bidy an’ireo sakafo ireo ny firotsahan’ny orana omaly teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Raha anaovana jery todika kosa ny lasa, dia tsikaritra tamin’ity taona 2008 ity fa tsy nandrenesana feo loatra ny hoe « kere » na tsy fisian’ny hanin-kohanina. Ny any amin’ny faritra atsimo no lasibatra amin’io isan-taona, saingy maro ny ezaka nanoherana izany raha tsy hilaza afa-tsy ny fambolena apemba fotsiny. Nahitam-bokany ve anefa ireny fambolena isan-karazany ireny ? Tsy mionona amin’io tokoa mantsy ny any amorontsiraka fa saika efa mahalala ny teknika famokaram-bary sy legioma ary voly avotra samihafa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS