Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 03h57
 

Teny zato, kabary arivo

Mihena an-toerana

samedi 26 juillet 2008 | Naivo kely

Mpanao politika roa no indray namoy ny ainy tao anatin’ny iray andro monja. Gaston Ramaroson, sy Herizo Razafimahaleo. Samy narendriky ny fahafatesana ny alakamisy teo. Tsy zoviana amin’ny rehetra intsony izy roa lahy ireto teo amin’ny sehatry ny fanoherana teto Madagasikara.

Hihena avy hatrany ny fanehoan-kevitra eto amin’ny tanàna. Ny antony, dia io hiarahana mahita io ny tsy fahafahan’ny maro miteny. Izay mbola nisisika nanao izany, dia nalefa nialokaloka teny am-ponja. Izay mba sahy naneho ny heviny, dia ireo namoy ny ainy ireo indray. Ny nanaitra ny maro, dia ny fandrenesana ny ampahan-teniny tao amin’ny haino aman-jerim-panjakana. Maty vao nomena « antenne », hoy ny mpitazana nandre izany. Samy manana ny fomba fiasa ny rehetra, izay tsy hidirana lalina, fa mihena ny olona avy aty amin’ny fanoherana. Roa io no lasa, ary hihena tahaka izany koa ny fanehoan-kevitra. Tsara ny milaza, fa na dia miezaka mandray ny andraikiny eo amin’ny raharaham-pirenena aza ireo tanora mpandimby aty aoriana, dia mbola hafa amin’ny maro ihany ny mandre ireo antsoina hoe « goaika antitra ». Tsy ny politika no ratsy, fa ny foton-kevitra hijoroana. Tsy ho gaga isika raha maro ny minia hisafidy ny làlan’ny fahanginana eo amin’ny raharaham-pirenena, satria mihevitra izy ireny fa misy fotoana hitenenana, ary misy ny hanginana. Dia ho sanatria ve ka ny eo anivon’ny fitondrana sisa feo re etsy sy eroa ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS