Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 09h56
 

Teny zato, kabary arivo

Tandremo ny sakaizan’ny mpandresy

jeudi 24 juillet 2008 | Kama

Tokony ho fitaratra eo amin’ny fampandrosoana ny fanatanjahan-tena ny ADEMA. Manomboka izao, dia hisy ny fijerena izay ho taniketsan’ny baolina kitra Malagasy. Ireo tovolahy 13 ka hatramin’ny 15 taona, manana halava 1m 65 raha kely indrindra no ilaina. Ho fitsinjovana ny fananana vatana lehibe sy lava no kendrena amin’io. Na eo aza aloha izay, dia tsy tokony ho adinoina kosa ny tsy ampy refy, manana fahaiza-mitondra baolina ny olona toy ireny, ka tokony hisy fijerena manokana. Araka ny tetik’asan’ny ADEMA ihany koa, dia avondrona ao amin’ny sekolin’ny fanatanjahan-tena ireo zatovolahy ireo ka hisy mihitsy fampianarana mandritra izany.

Raha ny sehatry ny fampandrosoana ny fanatanjahan-tena aloha izany, dia ny ADEMA, no nisantatra izany tamin’ny alalàn’ny tetik’asa mivaingana toy izao. Ekena fa efa im-betsaka ny fitondram-panjakana no nampanantena fa hijery ny fanatanjahan-tena eto an-toerana, saingy mitoetra ho fampanantenana izany hatreto. Midika izay, fa toa ny « tsy miankina » indray no dodona, ka mametraka lamina maty paika ho fampandrosoana ny fanatanjahan-tena, tsy hono hono rahateo ny azy fa efa tongotra mby an-dakana. Raha misy andanin’izay, ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina, hisian’ny fampandrosoana, dia azo antenaina ny ho avin’ny fanatanjahan-tena Malagasy, raha ny fomba fanao kosa anefa no mbola hotohizana, dia ho nofy izany. Tokony hialàna izany, ny manao tsobo-dranon-dRamiangaly, ka tsapatsapa no betsaka, indrindra rehefa misy ny vokatra tsara azon’ny mpanao fanatanjahan-tena, dia hay ery ny milaza fa hisy ny fiaraha-miasa. Rehefa misy kosa ny fahavoazana dia mangina tsy misy mpiresaka. Izay ilay manao sakaizan’ny mpandresy. Raha tsara ny vokatra dia namana, rehefa ratsy, dia tsy fantatra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS