Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 18h58
 

Teny zato, kabary arivo

Nahena ny fihinanan’ny minisitra

mardi 22 juillet 2008 | Naivo kely

Ny soa fianatra. Endrika iray hisoroana ny mety ho fahavoazan’ny vahoaka ao aminy no nataon’ny mpitondra tatsy Côte-d’Ivoire ny alahady teo. Làlana iray tsy azo hiodivirana ny sondrom-bidim-piainana manerana izao tontolo izao.
Miditra an-tsehatra ny mpitondra any amin’io firenena io, ka ny fampihenana ny fandaniana ataon’ireo mpitondra isan’isany no natao voalohany. Ny fivoahana mitety faritra sy firenena, dia tsy azo natao intsony, raha tsy tena misy antony goavana. Ny karaman’ireo minisitra ihany koa dia nahena avy hatrany. Nalefa natao aro-riaka any amin’ny fiainana ara-tsosialin’ny vahoaka ireo vola ireo. Ny hetra alaina amin’ny vidin’ny solika ihany koa dia nahena, mba tsy hanondrotan’ireo mpaninjara solika ain’ny toe-karena ity. Niaiky ny maro, fa nisy fidinany hatrany amin’ny 124 dolara ny vidin’ny barilan-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ny fitondrana Ivorianina kosa, dia misoroka mialoha no ataony.

Raha mitodika eto amin-tsika ny maso. Inona no sakana tsy ahafahan-tsika mampihena io fandaniana io ? Tsapa mantsy fa handeha hiala sasatra avokoa ny ankamaroan’ny minisitra rehetra. Vola be no ho lany amin’izany. Ny vahoaka anefa eto, dia miaritra ny tsy fisiana sy ny fahantrana isan’andro. Raha ireny vola be nandehanana mankany ivelany lava ireny no navadika tamin’ny sehatra hafa, moa ve tsy efa mba nahafaka ny ampaham-pahorian’ny Malagasy ?

Marina fa efa nisy ny fepetra noraisin’ny fanjakana amin’ny filazana fa ho ampiana ireo mpitatitra tsy nampiakatra ny saran-dàlana, ary toy izany koa ny orinasa mpaninjara entana toy ny menaka. Mahasoroka ny fidangan’ny vidim-piainana ve ny toy izao ?

Zatra mpaka tahaka ny ataon’ny any ivelany isika eto Madagasikara, inona no tsy hampiharana ny toy ny tany Côte-d’Ivoire farany teo ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS