Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 23h28
 

Teny zato, kabary arivo

Soa fa teo ny « friperie »

jeudi 31 juillet 2008 | Naivo kely

Fahorian’ny hafa, hafaliana ho an’ny sasany. Feno olona mitsongoloka eran’ny arabe. Mividy ankajo « friperie » (fripy) ireny. Tsy hanavahana sarangan’olona, fa izay mba manana vatsy ara-bola kely dia efa io hita miondrika etsy eroa.

Mitobaka eto amintsika ankehitriny ny lamba fripy. Hita eny ihany koa na ny kiraro, sy izay afahan’ny olona mihaingo. Mora ny vidiny, ary hita fa mbola tsara. Mahatoraka ny fitafy vaovao. Vitsy izany olona mivoron-kitsay izany, satria miainga amin’ny 200 ariary, dia efa mitafy. Toa sarotra atao ho sahirana isika raha mahita ny sarangan’olona mitafy tsara sy milay hoy ny fomba fiteny. Vitsy sisa ireo mba mividy ravin-damba hanaovana akanjo. Ireo olona mila zaitra mifanaraka amin’ny filany sy hanao raharaha goavana sisa hita mirona amin’io ravin-damba io. Mamotika ny orinasa mpanao lamba eto ireny, satria hikatona sy handroaka mpiasa izy ireo, rehefa tsy mandeha intsony ny tsena. Vahoaka maro ihany koa anefa no avotry itony fripy itony. Soa aza mba nisy azy ireny nanaromana ny fahantrana. Raha atao tokoa ny kajikajy, dia any amin’ny 5000 Ar. vao mety hanao pataloha raha hampanjaitra. Ny vidin’ny ravin-damba amin’io tsy lazainaintsony. 2000 Ar. kosa anefa dia efa mahazo itony pataloha itony eny an-tsena. Firenena azo antsoina ho mahantra no hitobahan’itony entana efa nanaovan’ny olona itony. Ka hitafy sa hialangalana hiandry ny fitafy vaovao ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS