Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 09h00
 

Teny zato, kabary arivo

Teny zato, kabary arivo

Aza miandry dokafana

mardi 5 août 2008 | Naivo kely

« Variana manao vaovao samy hafa, fa tsy ny asa vitan’ny fitondrana no tanisaina ». Mahalasa saina ny maro ny hevitry ity olom-boafidy iray ity, nanakiana ny asa fanaovan-gazety. Toa hinian’ny sasany hamaivanina mihitsy ity asa iray ity, rehefa tsy mifanaraka amin’ny fomba fijeriny. Ny asa ataon’ny fanjakana, dia saika efa mahazo sehatra isan’andro amin’ireo haino aman-jerim-panjakana sy ireo izay tsy maintsy mivoy izany isan’andro. Moa tsy efa mahazo vahana, ary mila hakalilo sofina sy maso indray aza ny fahitana izany asa izany ? Inona indray no mbola tadiavina ankoatra izany ? Hain’ny vahoaka tsara ny manavaka ny vary amin’ny tsiparifary, fa aza miandry ho dokafana. Sa tsy tokony hanana anjara asa hafa ny mpanao gazety ankoatry ny fivoizana ny vaovaom-panjakana ? Aoka mba samy ahatoky tena, fa tsy ny asan’olona no tsabahana lava izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS