Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 8 mai 2024
Antananarivo | 23h21
 

Articles dans la rubrique « Teny zato, kabary arivo »

  • Hijanona ho bado ny tantsaha

    samedi 31 mai 2008 | Penjy R. |  597 visites
    Izay tsy mahay Informatika ny taona 2000 dia naman'ny bado. Teny nentina hidiran'ny olona amin'ny fahaizana ny resaka Informatika io. Niroborobo ny fidiran'ity sehatra ity tetsy sy teroa, ka zary nahazo ny tandrify azy ny mponina anranan-dehibe. Tsy vitsy ihany koa anefa no mbola tsy mahay izy ity ny mponina andrenivohitra an. Hijanona ho bado hatrany ny tantsaha. Ny antony, dia na ny fahaizana mamaky teny sy manoratra aza mbola ny 80% ny mponina any tsy mahay ireo. Izay mba mahay manoratra (...)
  • Hiofana aiza ireo tratra farany ?

    vendredi 30 mai 2008 | Penjy R. |  441 visites
    Telo nipetraka telo nandeha. Io no vokatry ny didy navoakan'ny fitsarana misahana ny ady amin'ny fanjakana ny alarobia lasa teo. Tsy mora ny fandinihina ny atotan-taratasy natao, matoa aty amin'ny faran'ny volana Mey vao nivoaka ny izany didy izany. Efa nandray ny andraikiny momba ny fitantanana ny kaominina ireo ben'ny tanana telo noesorina indray tamin'ny toerany ireo. Ireny niarahana nahita ireny ny fiofanana nataon'izy ireo teny Iavoloha nandritra ny roa andro. Efa nisy ny fametrahan'ny (...)
  • Takaitra ny valin’ny vola be aloa amin’ny Jirama

    jeudi 29 mai 2008 | Naivo kely |  568 visites
    24 ora no fitokonana ataon’ny mpiasan’ny Jirama. Na ora roa monja aza io, dia efa hiteraka faty antoka amin’ity orinasam-panjakana ity. Voalaza fa ao anatin’ny fanarenana isika izao, ka tamin’io, dia ny saran’ny jiro sy ny rano no nampiakarina. Nahatratra hatrany amin’ny 30% ny sandan’io fiakarana io, ka na dia hita aza fa tsy zakan’ny isan-tokantrano, dia nambara fa ny antsika eto Madagasikara no mora indrindra ny vidiny aty amin’ny faritry ny ranomasim-be Indianina. Dia nangina ny vahoaka, satria (...)
  • Be ny vokatra fa ny amidy no tsy misy

    mercredi 28 mai 2008 | Naivo kely |  560 visites
    Mitobaka eny an-tsena ankehitriny ny sakafo maro samy hafa. Hita ho nisy fidinany kely ny vidim-bary na dia ao anatin'ny fotoanan'ny maitso ahitra aza isika izao. Diso ny heritreritra raha hilaza fa hisy mosary eto, satria ny sakafo rehetra, dia vokatra eto Madagasikara. Ny mampalahelo anefa dia ny ho enti-manana no tsy ampy. Zara raha mahavita andro vitsy ny karaman'ny mpiasa Malagasy. Ny fitrosana no zary mahazo sehatra eny amin'ny fiainam-bahoaka. Tsy maintsy ahitana karne kely avokoa ny (...)
  • Tsy ampy fitaovana

    mardi 27 mai 2008 | Penjy R. |  466 visites
    Io indray ny afo be. Tetsy Ankorondrano indray no nahitana firehetana omaly, ka niteraka fahavoazana ho an’izay tratry ny afo. Tonga ara-potoana ihany anefa ny mpamonjy voina, ka tsy nihitatra firy ity afo ity. Tao ho ao dia nahitana fahapotehana fananana momba ny haitrano ny faritry ny renivohitra sy ny manodidina. Isan’io ny tetsy Tanjombato sy Tsaralalàna. Dia io niseho io indray ny tetsy Ankorondrano. Manana ny fitaovana ny mpamonjy voina etsy Tsaralalàna, saingy azo heverina fa tsy ampy (...)
  • Mbola malemy

    lundi 26 mai 2008 | Naivo kely |  431 visites
    Ny andro nankalazaina ny fetin’ny reny omaly no hilazana fa mbola malemy ny vehivahy eto amintsika. Satria nahoana hoy ny mpitazana hafa ? Tsikaritra fa ny finiavana betsaka fa ny entina hanatanterahana izany no tsy ampy. Porofon’io, ny mbola hianteherana amin’ny lehilahy. Misy ny ben’ny tanàna vehivavy izay mihanaka any amin’ny kaominina sasany any, manao ahoana ny asa vitany any raha atao indray mijery ? Ny depiote sy ny olom-boatendry hafa ve mba nisy asa misongadina haingana tao ho ao? (...)
  • Miara-mientana

    samedi 24 mai 2008 | Hery A. |  594 visites
    Fahendrena sy fihavanana. Io no vokatry ny herimpon’ny artista malagasy, nahay nampangina ny endrika politika amin’ny fandraisana ny tarika Rossy. Maro mantsy no mety ho nalaim-panahy ka maniry loza, amin’ny hifikiran’ny resaka politika hiarahana amin’ny tarika Rossy. Olon-dehibe nifanaiky ny tenany sy ny filoha Ravalomanana, ary ny mpikarakara. Toa mety tokoa hatramin’izao. NY artista malagasy moa dia nametraka ny lanjan’ny maha kanto an’ireo fampisehoana nataon’ity tarika ity. Tsy azo odian-tsy (...)
  • Valalan’Amboa

    vendredi 23 mai 2008 | Naivo kely |  733 visites
    Mitobaka ny entana vita vahiny, ahiana ho faty ny orinasa Malagasy. Mora sady mahafa-po ny maro ireny entana vita avy any ivelany ireny, isan’izany ny Fripérie, ny savony, ny kojakojan-tokantrano samy hafa. Ny kiraro sy haingo isan-karazany, dia saika mitsongoloka avokoa na ny manana na ny sahirana. Toa vitsy sisa raha ny eto an-tanan-dehibe no ahitana ireny mivoro-kitsay ireny, satria tsy te-hivoatra angaha. Miainga amin’ny Ar 200 dia efa mahazo somizo tsara, ary Ar 5000 dia mikiraro tsy (...)
  • Omeo ny baiko

    jeudi 22 mai 2008 | Naivo kely |  513 visites
    Ho tonga ny vola eny anivon'ny kaominina ny herinandro io. Samy hanana ny paika adiny avokoa ny ben'ny tanàna rehetra amin'ny asa mivaingana ilain'ny mponina eo an-tanàna. Ny fahaizana mandresy lahatra ny mponina sisa andrasana, satria mbola asa goavana io. Fandrosoana inona no ho hita raha tsy eo amin'ny vahoaka ny risim-po hiaraha-hampandroso ny faritra. Fa isan'ny maha-taraiky ny faritra iray, indrindra ny any ambanivohitra ny tsy fisian'ny Jiro hanazava ny tanàna. Asa maro no vita (...)
  • Henjana ny sazy, anatra ho an’ny hafa ?

    mercredi 21 mai 2008 | Naivo kely |  703 visites
    Hampiakatra fitsarana ambony ny mpiaro ny jeneraly Fidy, sy ingahy Pety Rakotoniaina, ary ireo manamboninahitra voarohirohy niaraka tamin’izy ireo. Sazy tsy misy latsaky ny folo taona avokoa no nomen’ny fitsarana azy ireo. Tsy dia asiana resaka be firy intsony angamba ny momba ilay fikasana hanogam-panjakana saika hatao ny 17 novambra 2006 teo. Tao ho ao dia nandeha ny feo momba ireo manamboninahitra nalaina am-bavany teny Fiadanana izay mahakasika fanonganam-panjakana ihany. Tsy mbola (...)
  • Miasa miaraka no fahombiazana

    mardi 20 mai 2008 | Naivo kely |  568 visites
    Tena hanomboka ny asa miainga any ifotony. Ny ben’ny tanàna eto an-drenivohitra, Andry Rajoelina omaly, dia tsy nihambahamba nilaza fa hankatoaviny ny tenin’ny filoha Ravalomanana milaza hoe : « miasa miaraka no fahombiazana ». Isan’ny nomeny lanja tamin’izany fiarahana miasa izany ny fanampian’ny filoha Ravalomanana ny kaominina eto an-drenivohitra hanarina ny Lapan’ny tanàna etsy Analakely. Tsy hisy intsony ny sakana amin’ny asa atao isaky ny tanàna, satria ny torohevitra efa nomena teny Iavoloha (...)
  • Atambaro izay tokony hiaraka

    lundi 19 mai 2008 | Naivo kely |  468 visites
    Tsy ny olona no tsy ampy fa ny mpitondra no mahafehy izay andraikitra ankinina aminy. Toa izao hitarafana ny andraikitra sahanin’ny ministra eto amintsika ireo. Hita izao fa olom-panjakana iray misahana toerana maro toa nyPraiminisitra lehiben’ny Governemanta. Toy izany koa ny ministry ny fahasalamana izay misahana ministera roa raha toa ka natambatra iray ny fanatanjahan-tena sy ny kolontsaina ary ny fialam-boly. Fitsitsiana avokoa izany hoy ny mpitazana, satria raha ho vitan’ny iray ve (...)
  • Be no ho voaringitra

    samedi 17 mai 2008 | Naivo kely |  731 visites
    Andro maro izay no niakaran’ireo hambara ho mpanongam-panjakana tetsy amin’ny fitsarana etsy Anosy. Nirarakompana ny fivoahan’ny tsiambaratelo momba ny fivoahan’ny fitaovam-piadiana nampiasaina, izay niainga tamin’ny raharaha 2002 sy ireo nataon’ingahy Jeneraly Andrianafidisoa ny 17 Novambra 2006 ireny. Tsy misy afa-bela ireo anaran’olona maro voatonontonona eny amin’ny fitsarana, satria hambara ho mpiray tsikombakomba avokoa izy ireny. Maro ny efa migadra, ary tsy vitsy no alaina ambavany. Tsy (...)
  • Asehoy ho fanta-bahoaka

    vendredi 16 mai 2008 | Naivo kely |  635 visites
    200 ny Malagasy voan’ny SIDA hoy ny haino aman-jery iray teto amintsika ny alarobia maraina teo. Fanazavana azo nandritra ny hetsika nokarakarain’ny ministeran’ny fahasalamana tetsy Befelatanana ny alatsinainy hariva teo no nandrenesana izany. Azo adika fa efa zava-doza mananontanona ny fiainantsika Malagasy ny toy izany. Tsy ahilikilika ny voan’ity areti-mandoza ity, hoy ny dokam-barotra etsy sy eroa. Marina izany satria olom-belona tahaka antsika izy ireny, ary azo sosoana hoe tsy fidiny azy (...)
  • Manita-tsaina

    jeudi 15 mai 2008 | Naivo kely |  566 visites
    Tsy hita veroka hatramin’izao ny ho avin’ny fanatanjahan-tena Malagasy. Tsy mbola voapetraka izay olona hisahana azy io eto amintsika na dia efa tapa-bolana aza no nahatona tamin’ny toerany ny minisitra nisahana azy io teo aloha. Tsy miandry izany anefa ireo mpikotrana eto amin’ny tanàna fa lasa manita-tsaina any an-kafa. Fantatra izao fa be mpitsiriritra ireto mpilalao Malagasy ireto, ary efa misy ny nahazo fifanarahana hilalao any ivelany. Toy ny entam-barotra izy ireo, ka misafidy ao (...)
  • Lany andro manarina

    mercredi 14 mai 2008 | Naivo kely |  526 visites
    Aoka izay ny fanapotehana, fa ho sasatry ny miarina ny firenena raha izay no manjaka eto amintsika. Mifantoka amin'ireo asa fanarenana maro atao eto ny saina. Isan'io ny Rovan'ny Manjakamiadana, izay antenaina fa ho vita amin'ny taona ho avy iny. Toy izany koa ny fanarenana amin'ny laoniny ny lapan'ny tanàna etsy Analakely. Vakoka Malagasy tsy azo apetraka ho nofy ireo asiana fanarenana ireo. Hetraketraky ny Malagasy iray rà amintsika no naha-potika hotohoto azy ireo. Tsy voarenina ao (...)
  • Miverina ny ady politika

    mardi 13 mai 2008 |  775 visites
    Notandindonin’ny sahotaka ny tontolon’ny fampandrosoana ara-politika ao amin’ny kaominina Antanifotsy, anatin’ny faritra Vakinankaratra tamin’ny herinandro lasa iny. Nahazo taratasy mahakasika ny fifidianana ben’ny tanana farany teo ny ben’ny tananan’Antanifotsy, Atoa Rabevason, ka nanaovany fanambarana tamin’ny radiom-paritra « Radio vary sy rano ». Ren’ny vahoakan’ny Vakinankaratra izany tamin’ny zoma, nandritra ny fotoananan’ny vaovao, ary naverimberina. « Aoka tsy ho taitra na hisahotaka isika (...)
  • Tsy manaiky ho gisitra

    samedi 10 mai 2008 | Penjy R. |  691 visites
    Tsy hiantehitra amin’ny hetra fa mikaroka lalam-barotra. Io no fanamby hapetraky ny tompon’andraikitry ny tanana eto andrenivohitra. Tsy mitsahatra mivoaka mankany ivelany izy mitady izay fiaraha-miasa hanatsarana ity renivohitra ity. Hanomboka ny asa hoy izy raha vao tonga avy any China, ary miditra antsehatra ireo mpiasa eo anivon’ny kaominina manatsara ny faritra heverina fa tokony hasiana fanavaozana. Heno koa fa hapetraka ny vato fototry ny fananganana ny lapan’ny tanana. Ny filoha (...)
  • Mivadika taranja

    vendredi 9 mai 2008 | Naivo kely |  771 visites
    Tsy misy mangirana ka dia mivadika taranja ny maro. Sehatry ny baolina kitra io. Tsy sahy manao lalao ara-pirahalahiana amintsika intsony ireo firenena maro manodidina antsika, satria matahotra ny ho sazian'ny FIFA ihany koa ry zareo. Ireo mpilalao eto an-toerana dia manomboka malaina amin'ny fanazaran-tena ataony, ka lasa miova any amin'ny sehatra hafa izy ireo. Maro ny fanatanjahantena azo atao, ka izahay ve ho lany zara ato amin'ny baolina kitra, hoy ny sasany. Hatreto dia miandry ny (...)
  • Omena fitaovana ny olom-boafidy

    jeudi 8 mai 2008 | Penjy R. |  487 visites
    Hirosoana amin’ny asa dia tsy atao ambanin-javatra ny fitaovana ho entin’ny loholona miasa. Isan’ny nambaran’ny filohan’ity andrim-panjakana ity io raha vao nandray ny toerany izy ny talata teo. Tsapany fa tsy hisy asa ho vanona raha toa ka tsy misy ny ampinga ampiasaina amin’izany. Tsinjo avy hatrany io fa fiara 4x4 sy ny solika mandeha aminy. Eo ihany koa mazava ho azy ny karama sy ny tambiny, ary tsy ho latsa-danja amin’izany ny trano honenana sy ny vola ho azo raha marary. Tsy misy maharatsy (...)

0 | ... | 100 | 120 | 140 | 160 | 180 | 200 | 220 | 240 | 260 | ... | 500

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS