Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Manita-tsaina

jeudi 15 mai 2008 |  566 visites  | Naivo kely

Tsy hita veroka hatramin’izao ny ho avin’ny fanatanjahan-tena Malagasy. Tsy mbola voapetraka izay olona hisahana azy io eto amintsika na dia efa tapa-bolana aza no nahatona tamin’ny toerany ny minisitra
nisahana azy io teo aloha.

Tsy miandry izany anefa ireo mpikotrana eto amin’ny tanàna fa lasa manita-tsaina any an-kafa. Fantatra izao fa be mpitsiriritra ireto mpilalao Malagasy ireto, ary efa misy ny nahazo fifanarahana hilalao any ivelany. Toy ny entam-barotra izy ireo, ka misafidy ao amin’ilay klioba nilalaovany teo aloha ny vahiny. Tsy vidiana mora anefa fa amin’ny sandany lafo tokoa. Rehefa tsy hamokatra ve ny eto an-toerana tsy aleo mila ravin’ahitra any ivelany ? Ho reharehantsika tokoa ireto tanorantsika ireto atsy ho atsy. Ny firenena niaviany hanakoako any ivelany, ary ny vola hiditra ho an’ny mpilalao. Tsy midika izany fa hamokatra ho an’ny hafa isika, fa isan’ny tanjona ihany koa ny toa izao, satria rehefa tsy halaza eto an-toerana tsy aleo mba ho reharehan’ny vahiny ? Sa mamadika tanindrazana izany ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS