Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Be ny vokatra fa ny amidy no tsy misy

mercredi 28 mai 2008 |  560 visites  | Naivo kely

Mitobaka eny an-tsena ankehitriny ny sakafo maro samy hafa. Hita ho nisy fidinany kely ny vidim-bary na dia ao anatin’ny fotoanan’ny maitso ahitra aza isika izao. Diso ny heritreritra raha hilaza fa hisy mosary eto, satria ny sakafo rehetra, dia vokatra eto Madagasikara.

Ny mampalahelo anefa dia ny ho enti-manana no tsy ampy. Zara raha mahavita andro vitsy ny karaman’ny mpiasa Malagasy. Ny fitrosana no zary mahazo sehatra eny amin’ny fiainam-bahoaka. Tsy maintsy ahitana karne kely avokoa ny mpivarotra rehetra, ary anaran’olona maro no hita ao. Anarana izay hikaotiana ny entana notrosain’olona tao amin’io mpivarotra io izany. Izay no hilazana fa dibo-trosa ny ankamaroan’ny mponina. Hatreto dia hita fa be ny vokatra fa ny amidy no tsy misy. Raha tazanina ivelany anefa ny Malagasy indrindra ny andrenivohitra, toa tsy hita taratra any amin’izy ireo izany fahantrana izany. Ny antony, dia ny fitafy ivelany sisa no ezahina atao mety amin’ireny Friperie ireny, mba hanafenana ny fahantrana. Mila fihezahana anefa ny fiainana fa tsy sanatria hitanondrika lava izao, satria tsy nisy nateraka hijaly. Sa ny saina mihitsy no tsy te-hivoatra ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS