Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 8 mai 2024
Antananarivo | 20h20
 

Articles dans la rubrique « Teny zato, kabary arivo »

  • Miteny ny hitan’ny maso

    mardi 18 mars 2008 | Naivo kely |  477 visites
    Vita iny ny dingana voalohany amin'ny fametrahana ny faritra tamin'ity taona ity. Nahay naka lesona avokoa ny rehetra, satria hita fototra izao, fa tsy naharesy lahatra ny maro ny dingana natao. Tsy hametraka isika fa ny fametrahana ny faritra no tsy tian'ny olona, fa misy sehatra tokony halalahana bebe kokoa afahan'ny rehetra mifanakalo hevitra ao. Ny antoko nifaninana vitsy, ary nanaraka izany ny tsy dia faharisihan'ny maro, nefa mbola nanjaka tamin'ny faritra maro ny vato fotsy. Tsy (...)
  • Hazakazaka arahin-tosika

    lundi 17 mars 2008 | Naivo kely |  495 visites
    Efa raikitra sahady ny fampielezan-kevitra ho amin'ny toeran'ny antenimieran-doholona. Raha mbola tsy nanomboka akory ny fifidianana ho izay mpanolon-tsaim-paritra omaly, dia ny faran'ny herinandro teo no hita fa miroso amin'ny propagandy izay ho loholona ny mpanao politika sasany. Teny amin'ny trano fanaovana lanonana iray etsy Ambohitradimo no nilazan'ireo ben'ny tanàna mivondrona ao Marovatana fa hanohana an'ingahy Rajemison Rakotomaharo izy ireo ? Fifanohanana tsy maninona, fa angaha tsy (...)
  • Solika mandoro

    samedi 15 mars 2008 | Naivo kely |  945 visites
    Manankarena ny firenena, roso ny fitrandrahana. Faly sahirana ny maro raha nandre fa manomboka mioty ny vokatry ny fitrandrahana ny solika ao Tsimiroro isika. 46 barila isan’andro no vokatra azo amin’izao fanombohana izao, ary andrasana hananika ny 100 barila isan’andro atsy ho atsy. Sahiran-tsaina ihany anefa ny maro raha mahita ny zava-doza mitranga any amin’ireo firenena mpamokatra azy ity. Hita io toy ny atsy Iran sy Iraka izay nifamono nandritra ny taona maro, ary mbola mizaka ny vokatry (...)
  • Tsy mihena fa mitombo

    vendredi 14 mars 2008 | Naivo kely |  531 visites
    Vidian-dafo ny ady amin'ny fahafinaretana. Aretina tsy ahitam-panafana hatramin'izao ny SIDA nefa mbola maro no be andrakandrana. Asa na ny filan'ny nofo no mahery, fa mbola maro ny roboka tsy ampiheverena na dia efa maro aza ny fanentanana natao hiadiana amin'io aretina io. Raha ady no atrehina dia mitobaka ny vola. Isan'io ny ady amin'ny SIDA. Vita ny fifanaraham-piaraha-miasa amin'ny firenena matanjaka. Mirohotra miditra antsehatra ny fikambanana isan-karazany. Mipoapoaka ny (...)
  • Aoka tsy hihoam-pefy

    jeudi 13 mars 2008 | Naivo kely |  419 visites
    Aoka hiavaka ny vary sy ny tsiparifary. Tsy tokony ho entanim-po isika rehetra manoloana ny fifidianana izay hatrehana ny alahady ho avy izao. Fifidianana izay hitarafana ny fahombiazan'ny mpitantana isan'isany. Samy manao izay ho afany ny rehetra, satria manana andraikitra goavana amin'io ny sehatra maro, izay miainga any amin'ny sefom-pokontany, miakatra any amin'ny ben'ny tanàna, ary tonga hatrany amin'ny lehiben'ny faritra. Aoka tsy hihoam-pefy hoy ny mpitazana, ka mba hiavaka tsara ny (...)
  • Manjavozavo ny marina

    mercredi 12 mars 2008 | Naivo kely |  558 visites
    Tsy maintsy milamina ny tany. Fanamby goavana napetraky ny tompon'andraikitry ny filaminana io. Misy ny ezaka goavana ataon'izy ireo, ary ireny efa niarahana nahita ireny ny vokatra raha tsy hilaza afa-tsy ny olona mpanao ratsy voasambotra. Ny resaka halatra taolam-paty dia maro ireo efa eo ampelan-tànana'ny mpitandro ny filaminana, ary tsy vitsy no efa any am-ponja. Manjavozavo ihany anefa ny tena fahitana ny marina. Tsy mbola fantatra ny tena ati-doha mikotrika azy itony, na dia efa (...)
  • Fampihavanam-pirenena

    mardi 11 mars 2008 | Naivo kely |  522 visites
    Miha-mahazo vahana eo amin’ny fanehoan-kevitra politika eto amintsika indray ny resaka fampihavanam-pirenena. Ny Monima, CRN, Arema, Akfm dia samy nanambara ireo avokoa. Hatreto dia tsy nipirina any ambata io fitakiana lasa nataon’ny hery politika maro samy hafa teto amin’ny firenena, dimy taona lasa. Inona no sakana tsy ahatongavana amin’izany ? Raha vao niakatra teo amin’ny fitondrana ny filoha Ravalomanana ny taona 2002 dia nanambara tany Antsiranana fa ilaina io . Velom-bolo ny rehetra. (...)
  • Noravana ny federasion’ny baolina kitra

    lundi 10 mars 2008 | Naivo kely |  579 visites
    Rehefa tsy mahomby tsy maintsy ravana. Fanampahan-kevitra hentitra no noraisin’ny minisitry ny Fanatanjahan-tena, Patrick Ramiaramanana omaly tamin’ny fandravana federasiona roa dia ny baolina kitra sy ny taranja lomano. Ho an’ny baolina kitra manokana, dia efa ela no nilana fanamboarana, saingy tsy nisy ny fandraisana andraikitra. Resy lava, tsy misy fivoarana raha ity sehatra ity no jerena. « Fitiavana ny baolina kitra no ataoko, fa tsy fanimbana », hoy ny minisitra Ramiaramanana. Manao ahoana (...)
  • Fifanarahana miafina

    samedi 8 mars 2008 | Naivo kely |  1011 visites
    Taitra tamin'ny torimasony ingahy Ratsiraka ka ny zaza nobeaziny no voakapoka. Fa inona no heloka vitan'ireto sahy mitsikera ny fianam-pirenena ankehitriny no ireo manaiky lembenana indray no nomeny rariny ? Gaga tamin'iny fihetsiky ny amiraly Ratsiraka iny ny maro, nandre ny filazany ny tsy fahafantarany an'i Pierre Houlder sy ny namany izay nikasa hanao ilay kongresy rahampitso eto Antananarivo. Fa angaha tsy mpanohitra ity antoko ity no dia nasiaka fatratra ny amiraly ? Sa lasa Arema (...)
  • Vono moka

    vendredi 7 mars 2008 | Naivo kely |  733 visites
    Tsy misy indra-fo, fa izay vandana dia kary. Fihetsika izay mahalasa saina ny maro ihany ny nahita azy tao ho ao, matin’ny balan’ny polisy hatrany ireo jiolahy mpandroba eto amin’ny tanàna. Maro no faly amin’izany, satria mampitondra faisana ny ambany lanitra ny tonta kely, saingy hatraiza ny fanajana ny ain’olombelona ? Ny fanoherana ny mpitandro ny filaminana manao ny fisamborana no fiarovan-tena entin’ireo mpitandro ny filaminana. Ahitana basy hatrany sy fitaovam-piadiana hafa hatrany ireo (...)
  • Nifoha tamin’ny torimaso

    jeudi 6 mars 2008 | Naivo kely |  665 visites
    Fa nankaiza daholo ny mpanao politika 170 eto Madagasikara ? Samy nametraka io fanontaniana io ny vahoaka raha nahita fa antoko vitsy sisa no mba hany sahy miatrika fifidianana eto Madagasikara. Manomboka anio dia hafana ny fanehoan-kevitra eo amin’ny sehatra politika ka hanomboka ny azy ry zareo eo anivon’ny antoko AKFM, izay hanao fihaonana amin’ny mpanao gazety. Ahiahy maro no apetraky ity antoko ity manoloana ny fifidianana izay atao tsy ho ela. Isan’io ny mety hividianana ny (...)
  • Gasy ho lasa vazaha

    mercredi 5 mars 2008 | Naivo kely |  2114 visites
    Ho any andafy. Vao maheno ny Malagasy dia roboka, satria sarotra ny fiainana eto, ka aleo mifindra lasy. Eo koa ny sodokan’ny rendrarendra vahiny, ka atao avokoa izay hialana eto an-tanindrazana mba ho any andafy, sitrany ahay mba lasa vazaha tapany. Anio maraina no hanao ilay kaonferansa etsy amin’ny Motel Anosy ny orinasa iray avy any Aostralia « Ah Lan Associates » hikarakara ny Malagasy izay te-hifindra monina any amin’io firenena io. Vola 40.000Ariary no haloan’ny olona hikarakarana ny (...)
  • Niova taranja

    mardi 4 mars 2008 | Naivo kely |  713 visites
    Tendrom-po tsy mba namana. Fihetsika kely monja dia mampiova zavatra betsaka eo amin’ny fiainam-pirenena. Raha ny lalao baolina kitra saika atao tetsy Mahamasina ny alahady teo no asian-dresaka, dia hita fa niova taranja ny mpitia ity taranja iray ity. Mpitsara iray tsy afaka namita ny asany no indro namotehana zavatra maro, ary nanome endrika ratsy teo amin’ity taranja baolina kitra ity. Raha ny lalao baolina lavalava no nokilasian’ny hafa ho baolina be herisetra, dia any amin’ny baolina (...)
  • Simba ny toe-tsaina

    lundi 3 mars 2008 | Naivo kely |  1285 visites
    Io ary ilay efa nahiana. Miparitaka ny horonan-tsary vahiny, mahay maka lesona ny gasy. Arivo ariary dia efa mahazo horonan-tsary vahiny, ary samy misafidy izay heveriny fa mahamety azy ny tsirairay. Miainga amin’io ihany koa ny fiparitahan’ny kolontsaina vahiny eto Madagasikara. Tao ho ao, dia nahitana endrin-javatra tsy mifanahaka amin’ny foto-pisainana malagasy. Firenena iza no sahy hangalatra ny taolam-balon’ireo razany? Raha ny tarehi-marika dia ny gasy no firenena mpanary anaka indrindra. (...)
  • Omeo an’i Kaisara

    samedi 1er mars 2008 | Naivo kely |  630 visites
    Tonga ny rivo-doza nirarakompana ny vola sy ny fanampiana nomena ny traboina. Rariny io, satria izay no adidin'ny fanjakana manampy ny vahoaka ao aminy. Tsy mahavita tona anefa ny fanampiana tahaka izao, saingy vaza mihetsika kosa, ary aleo misy toy izay tsy mihinana. Raha mijery ny fahavoazana, dia saika ireo olona sahirana avokoa no nalefa any amin'ireny trano lay ireny. Tsy vitsy no nilaza fa aleonay traboina, mba mahazo izay tokony ho azo. Izay no tokony hijerena tetikasa hafa mba (...)
  • Aleo mitsabo toy izay misoroka

    vendredi 29 février 2008 | Naivo kely |  463 visites
    Tsy diso famaky ianao fa ny zava-misy no mampamadika ilay fomba fiteny tena izy. Hiverenana kely ny fahapotehana mahazo ny tranom-panjakana maro eto amintsika isaky ny mandalo ny rivo-doza. Ny sekoly, hopitaly, tranom-pokonolona, ny biraom-panjakana isan-karazany. Indray mipi-maso monja dia rava izy ireny. Ny antony dia tsy misy fikarakarana ataon’ny tompon’andraikitra izay mitantana ireny fananam-bahoaka ireny. Tamin’ny andron’ny repoblika voalohany no tena nahitana tranom-panjakana niorina (...)
  • Jiolahy sy dahalo ve samy hafa ?

    jeudi 28 février 2008 | Naivo kely |  648 visites
    Izay vandana dia kary. Andro aman’alina no hanaovan’ny mpitandro filaminana haza lambo ireo tanora nahavanon-doza tany Antsiranana, ka nafindra aty Antananarivo ireo izay voasambotra. Ny fonja hitazonana azy ireo kosa no samy hafa. Volabe no lany amin’izao asa famongorana ny ratsy izao, satria nanofàna fiaramanidina manokana ireto jiolahy ireto nampiakarana azy aty an-drenivohitra. Fotoana fohy, dia maro no voasambotra, ary samy nifitsaka any amin’izay heveriny fa toerana tsy ahazoana azy ny (...)
  • Mihorohoro ny manodidina

    mercredi 27 février 2008 | Naivo kely |  731 visites
    Tafakatra eto andrenivohitra ireo jiolahy heverina fa atahorana avy any Antsiranana. Nisy ny nalefa eny Tsiafahy sy Antanimora, ary ireo tsy ampy taona kosa voalaza fa eny Anjanamasina no natoby. Raha ity farany no asiana resaka, dia mihorohoro ny mponina eny Anjanamasina noho ny fandrenesana io vaovao io. Ny resaka fiaravona ny faritra hitazonana itony olona itony no antony. Hiarahana mahita ihany ny havitsin'ny mpiambina io toerana io. "Ny tamboho azo hitsoahana", hoy ny mpitazana, "ary (...)
  • Tsy ampy fanazavana

    mardi 26 février 2008 | Naivo kely |  493 visites
    Miroso mametraka ireo rafitra ao anatin'ny lalàmpanorenana ny fitondrana ankehitriny. Tafiditra ao anatin'io ny fametrahana ny mpanolon-tsaim-paritra izay hatao ny 16 martsa izao. Tsy iadiana hevitra ny fangatahana ny fanemorana io fifidianana io, fa ny tsara hidirana lalina dia ny hoe, fantatry ny vahoaka ve ny tena andraikitry izany mpanolon-tsaim-paritra izany ? Io no ilana fanazavana mafonja amin'ny vahoaka, mba tsy hifidy an-jambany izy ireo. Maro no milaza fa ho vitsy ny ho tonga (...)
  • Fay

    lundi 25 février 2008 | Naivo kely |  1014 visites
    Aleo mangina toy izay higadra. Adalan’izay mbola te-hiditra amin’ny tabataba eto amin’ny firenena fa raha izaho aloha dia aleoko miasa. Isan’ny teny nataon’ny mpanao Politika iray, izay isan’ny nafana fo teny amin’ny amin’ny antenimieram-pirenena nefa lasa ben’ny tanàna ankehitriny. Toa miendrika ho anatra ho an’ireo namany mbola miroso amin’ny fanoherana ny tenin’ity lehilahy iray ity. Raha tsorina dia aza misy manohitra intsony e. Dia avela handeha ila ve anefa ny firenena raha toa hangina tsy hisy (...)

0 | ... | 160 | 180 | 200 | 220 | 240 | 260 | 280 | 300 | 320 | ... | 500

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS