Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Miteny ny hitan’ny maso

mardi 18 mars 2008 |  477 visites  | Naivo kely

Vita iny ny dingana voalohany amin’ny fametrahana ny faritra tamin’ity taona ity. Nahay naka lesona avokoa ny rehetra, satria hita fototra izao, fa tsy naharesy lahatra ny maro ny dingana natao.

Tsy hametraka isika fa ny fametrahana ny faritra no tsy tian’ny olona, fa misy sehatra tokony halalahana bebe kokoa afahan’ny rehetra mifanakalo hevitra ao. Ny antoko nifaninana vitsy, ary nanaraka izany ny tsy dia faharisihan’ny maro, nefa mbola nanjaka tamin’ny faritra maro ny vato fotsy. Tsy hifanilihana ny andraikitra fa tompon’antoka tanteraka amin’iny isika mianakavy. Raha vitsy ny mpandatsa-bato, midika ve io fa tsy hifanome tanana amin’ny asa eny anivon’ny faritra ny vahoaka ? Tsia no mety ho valiny, izay miankina betsaka amin’ny fahaizan’ny olom-boafidy mandresy lahatra ny vahoaka isam-paritra no miteraka risim-po ho an’ny mponina. Manana izay fahaiza-manao izay ve anefa ireo olom-boafidy farany teo ?

Hatreto aloha dia mila mahay mampita ny resaka serasera satria io no hany làlana afahana miara-mirona amin’ny tanjona tiana hapetraka momba ny asa tiana hajoro.

Tsy hianona fotsiny amin’ny tarehi-mariky ny mpandatsa-bato farany teo isika, satria miteny ho azy ny hitan’ny maso na maro na vitsy ireo nanefa ny adidiny. Sa efa mahazatra ny mahita vahoaka vitsy mifidy, nefa hambara ho marobe hatrany ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS