Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Hazakazaka arahin-tosika

lundi 17 mars 2008 |  495 visites  | Naivo kely

Efa raikitra sahady ny fampielezan-kevitra ho amin’ny toeran’ny antenimieran-doholona. Raha mbola tsy nanomboka akory ny fifidianana ho izay mpanolon-tsaim-paritra omaly, dia ny faran’ny herinandro teo no hita fa miroso amin’ny propagandy izay ho loholona ny mpanao politika sasany.

Teny amin’ny trano fanaovana lanonana iray etsy Ambohitradimo no nilazan’ireo ben’ny tanàna mivondrona ao Marovatana fa hanohana an’ingahy Rajemison Rakotomaharo izy ireo ? Fifanohanana tsy maninona, fa angaha tsy azo natao raha mba niandry ity fifidianana omaly ity vao mba naneho ny heviny ireto ben’ny tanàna ireto ? Sa apetraka mialoha ny toerana sao misy misosoka ?

Tsy ho gaga isika raha maivana ny fampielezan-kevitra tamin’ny farany teo, satria tsy dia ilay kandida milatsaka loatra no tena nimasoan’ny hafa ho lany, fa ny fampisongadinana ny tenany no tanjona. Hazakazaka arahin-tosika tanteraka ny eto amintsika, ka raha diso fiainga, dia tavela, ary ny toy izao dia azo hitarafana, fa na hisy indray aza ny sivana toy ny mahazatra eo amin’ny antoko matanjaka, dia ny hafa kosa tsy miandry izany fa avy dia vavany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS