Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Aoka tsy hihoam-pefy

jeudi 13 mars 2008 |  419 visites  | Naivo kely

Aoka hiavaka ny vary sy ny tsiparifary. Tsy tokony ho entanim-po isika rehetra manoloana ny fifidianana izay hatrehana ny alahady ho avy izao. Fifidianana izay hitarafana ny fahombiazan’ny mpitantana isan’isany.

Samy manao izay ho afany ny rehetra, satria manana andraikitra goavana amin’io ny sehatra maro, izay miainga any amin’ny sefom-pokontany, miakatra any amin’ny ben’ny tanàna, ary tonga hatrany amin’ny lehiben’ny faritra. Aoka tsy hihoam-pefy hoy ny mpitazana, ka mba hiavaka tsara ny asan’ny fanjakana sy ny an’ny antoko. Misy ny matahotra ny voahaisotra amin’ny toerany, ka manao ny tsy fanao. Tsy ho tanisaina eto ireny, fa ny rehetra dia efa mahatsapa ny olom-panjakana mampihatra ny fahefana eo ampelan-tanany.

Ny teritery atao amin’ny vahoaka no maha-kely ny risim-po andehany handatsa-bato. Vanim-potoana heverina ny hametrahana ny mangarahara izao, ka tsy ilaina ny mbola hiverenan’ny tsindry hazo lena atao amin’ny vahoaka isaky ny faritra. Fampielezan-kevitra no atao, ary zon’ny rehetra ny mitaona ny olona tsy hifidy, fa tsy sanatria rahonana amin’ny fisamborana izay manao izany. Sa efa lalim-paka ao amintsika ny fisamborana ny mpiray tanindrazana ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS