Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Fampihavanam-pirenena

mardi 11 mars 2008 |  522 visites  | Naivo kely

Miha-mahazo vahana eo amin’ny fanehoan-kevitra politika eto amintsika indray ny resaka fampihavanam-pirenena. Ny Monima, CRN, Arema, Akfm dia samy nanambara ireo avokoa. Hatreto dia tsy nipirina any ambata io fitakiana lasa nataon’ny hery politika maro samy hafa teto amin’ny firenena, dimy taona lasa.

Inona no sakana tsy ahatongavana amin’izany ? Raha vao niakatra teo amin’ny fitondrana ny filoha Ravalomanana ny taona 2002 dia nanambara tany Antsiranana fa ilaina io . Velom-bolo ny rehetra. Taona 2008 isika izao, tanteraka ve ny fampihavanam-pirenena. Samy nanambara ny heviny ny rehetra, ary tsy vitsy ireo nahazo fahefana no nilaza fa tsy nisy ady teto ka inona no hampihavanina eo. Misy ny minia mikipy manoloana ireny faty olona nikararahana ireny raha nisy ny fampandrian-tany natao manerana ny faritany. 6 taona aty afara, mbola io iarahana mahita io ny fitakiana ataon’ny vondrona politika maro isan-karazany.

Nandritra ny fanehoan-kevitra politika ny faran’ny herinandro teo no nilazan’ny mpanao politika hafa fa matahotra ireo mpitondra teo aloha ny mpitondra ankehitriny, ka izay no antony tsy hirosony amin’ny fampihavanana eo amin’ny mpiray tanindrazana. Izay ve no tena marina ? Akoho tsy naneno tahaka izay hono lanin’ny kary.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS