Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Nifoha tamin’ny torimaso

jeudi 6 mars 2008 |  665 visites  | Naivo kely

Fa nankaiza daholo ny mpanao politika 170 eto Madagasikara ? Samy nametraka io fanontaniana io ny vahoaka raha nahita fa antoko vitsy sisa no mba hany sahy miatrika fifidianana eto Madagasikara. Manomboka anio dia hafana ny fanehoan-kevitra eo amin’ny sehatra politika ka hanomboka ny azy ry zareo eo anivon’ny antoko AKFM, izay hanao fihaonana amin’ny mpanao gazety. Ahiahy maro no apetraky ity antoko ity manoloana ny fifidianana izay atao tsy ho ela. Isan’io ny mety hividianana ny safidim-bahoaka. Ny fampitombona ny isan’ny mpifidy raha toa ka vitsy no manefa ny adidy. Ampahany io, fa rahampitso ny CRN no hiditra an-tsehatra eo amin’ny fanehoan-kevitra. Mitaky ny fampiharana ny fampihavanam-pirenena ity fikambanana iray misy an’i Profesora Zafy Albert ity.

Ny antoko Monina ny sabotsy ho avy izao. Tsy tanteraky ny fitondrana ny fanamby napetrany tamin’ny vahoaka. Mpanohitra ity antoko nahorin’i Dada Monja Jaona ity. Etsy amin’ny tranom-pokonolona Isotry no hanaovana io fihaonambe io. Ny Arema dia hanao ny kongresiny andiany faharoa ny alahady izao. Midika io fa nifoha tamin’ny torimaso avokoa ny ankamaroan’ny antoko politika maro, ary hiantefa any amin’ny mpitondra ny balan’ny fanankianana manomboka izao. Hanao ahoana ny ho fiarovantenan’ny antoko TIM manoloana ireo ? Hatreto dia hifantoka betsaka amin’ny raharaham-pirenena indray ny sain’ny maro, raha tsy hoe efa mankaleo ny vahoaka angaha ity adilahy politika ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS