Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Gasy ho lasa vazaha

mercredi 5 mars 2008 |  2114 visites  | Naivo kely

Ho any andafy. Vao maheno ny Malagasy dia roboka, satria sarotra ny fiainana eto, ka aleo mifindra lasy. Eo koa ny sodokan’ny rendrarendra vahiny, ka atao avokoa izay hialana eto an-tanindrazana mba ho any andafy, sitrany ahay mba lasa vazaha tapany.

Anio maraina no hanao ilay kaonferansa etsy amin’ny Motel Anosy ny orinasa iray avy any Aostralia « Ah Lan Associates » hikarakara ny Malagasy izay te-hifindra monina any amin’io firenena io. Vola 40.000Ariary no haloan’ny olona hikarakarana ny taratasy ahafahana mifindra any Aostralia.

Dia lasa ny saina : « fa angaha dia firenena farahidiny ity nosintsika ity no dia taomina hifindra lasy ny mponina ao aminy ? Inona no andraikitra raisin’ny fanjakana mba hisoroana toy ny raharaha Bahamas ? Midika izao fa ataon’ny olona toy ny kilalao ny fianan’ny Malagasy, ary ny tsapa dia mbola misy ny tsy leom-boanana ka tonga misoratra anarana hialana eto amin’ny tanindrazany. Ny vahiny aza maniry ny honina eto noho ny fahitana ireo harena voajanahary tsy fahita raha tsy eto, ka isika indray ve no hanao valalan’amboa ? »

Dia be ny gasy ho lasa vazaha raha mitohy ny toy izao. Maro ny mpiray tanindrazana no nivaro-pananana raha nandre ilay asa ho any Bahamas koa anjarantsika no mieritreritra momba ity fifindra-monina ho any Aostralia ity indray.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS