Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Jiolahy sy dahalo ve samy hafa ?

jeudi 28 février 2008 |  648 visites  | Naivo kely

Izay vandana dia kary. Andro aman’alina no hanaovan’ny mpitandro filaminana haza lambo ireo tanora nahavanon-doza tany Antsiranana, ka nafindra aty Antananarivo ireo izay voasambotra. Ny fonja hitazonana azy ireo kosa no samy hafa.

Volabe no lany amin’izao asa famongorana ny ratsy izao, satria nanofàna fiaramanidina manokana ireto jiolahy ireto nampiakarana azy aty an-drenivohitra. Fotoana fohy, dia maro no voasambotra, ary samy nifitsaka any amin’izay heveriny fa toerana tsy ahazoana azy ny ankamaroan’ireto ambara ho tanora mpanao asa ratsy ireto. Na eo aza anefa ny fiafenana ataon’ny sasany, dia saika misy hatrany ny voasambotra isan’andro, ary fahombiazana lehibe ho an’ny mpitandro ny filaminana ny fanaovana sarika am-pandriana.

Dia lasa ny saina mahita izao ezaka ataon’ny fitondrana izao. Ny jiolahy sy ny dahalo ve samy hafa ? Firy taona izay no nandripahan’ny dahalo ny omby sy ny fananan’ny mponina tany Tsiroanomandidy, Ihosy, Ambatofinandrahana, Ikalamavony, Morafenobe, Besalampy, Ivohibe sy ny maro hafa ? Nangataka ny handefasana helikoptera ny vahoaka hamongorana ny dahalo, nefa toa tsy hita firy ny vokatry ny fangatahana. Nahoana no tsy hanaovana ezaka lehibe toa ny natao tany Antsiranana iretsy faritra voalaza fa mampasiaka ny dahalo iretsy ? Rehefa misy ny vola tokony ho laniana hampandriana ny tany, dia tsy tokony hisy mizana mitanila. Raha izay no tanteraka, dia ho fongotra tsy ho ela ny asan-dahalo, mampitaraina ny vahoaka. Ampiakaro aty Tsiafahy izy ireo raha atahorana ho afaka mandositra any amin’ireo fonja isam-paritra.

Ho valin’ny lohatenin’ny teny zatontsika anio, dia mitovy ny dahalo sy ny jiolahy, satria samy tontakely izy ireo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS