Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 10h18
 

Articles dans la rubrique « Teny zato, kabary arivo »

  • Fety etsy, fety eroa

    mercredi 25 juin 2008 | Penjy R. |  536 visites
    Izay kaominina tsy mahay mifety dia eo no raisina. Fifaninana kely mihitsy ny mampifaly ny vahoaka amin'ny vanim-potoana tahaka izao. Afa-boly ny vahoaka, satria ny fety tsy andoavam-bola hita, ny saina mba afaka kely amin'ny adim-piainana. Fety etsy, fety eroa. Aiza indray no ahita fifaliana mihoatra izao. Fety izay heverina fa mampiray ny rehetra. Tsy misy ny miavaka ao anatin'ny maro, fa dia firaisan-kina tanteraka no hita. Ho an'ny eto andrenivohitra, dia hisy ny afomanga goavana anio (...)
  • Raikitra indray ny fisamborana

    mardi 24 juin 2008 | Njaka |  889 visites
    Misoko mangina tsy fantatry ny eto Antananarivo ny zava-misy any amin’ny renivohi-paritany any ankehitriny. Raikitra ny fisamborana mpanohitra. Tao Fianarantsoa, olona roa no voasambotra, Roger sy Chiriak, mpanohitra avokoa izy ireo. Any Toliara, nalaina ambavany ny senatera taloha Robert Razaka. Mitohy koa izany any amin’ny faritany hafa. Mitovy ny anton’ny fisamborana: Iza no mamatsy vola anareo mpanohitra milaza fa hanao fihetsiketsehana, iza no nanao ireny trakita ireny ? Ny (...)
  • Samy tompon’ny fety…

    lundi 23 juin 2008 |  500 visites
    Maresaka ny tanàna ! Toa fanomezan-dàlana malalaka ho an’izay rehetra te hanao fety. Raha ny an’ny fitondram-panjakana foibe aloha dia toa efa fomba fiasa indray ny fandefasana baiko midina amin’ny lafiny rehetra ka hita ihany fa mampitambatra ny foko rehetra noho ny rafitra mitovy. Tamin’ny faha 16 jona dia efa nanomboka ny fety isam-paritra. Saika mitovy avokoa ny fandaharam-potoana izay efa fantatra rahateo. Tsikaritra izao fa tompon’ny fety amin’ny ankapobeny ny fanjakana foibe. Toy ny (...)
  • Manomboka ny fety

    samedi 21 juin 2008 | Penjy R. |  519 visites
    Hifaly havanja indray ny vahoaka Malagasy fa tonga ny fety. Ho lavalava ihany no ahitana fialamboly eto Magasikara amin'ity indray mitoraka ity, satria manomboka androany, dia efa maro ny fety manerana ny kaominina eto Madagasikara. Samy tsy misy manaiky lembenana amin'izany avokoa itony kaominina itony, fa dia hita ho miezaka mampifaly ireo vahoaka ao aminy ireo ben'ny tanàna isan'isany. Tsara izany, satria fifaninana masina. Ny tsy fisian'ny vola ho enti-manana isan-tokantrano efa (...)
  • Mila mailo amin’ity tsipoapoaka ity

    vendredi 20 juin 2008 | Penjy R. |  438 visites
    Akaiky ny fety. Raikitra ny fivarotana tsipoapoaka etsy sy eroa. Saika mampiasa izany avokoa na lehibe na kely, ary fefika azy ny elakelan-trano maro eto amintsika. Misy ny lalàna napetraka hatramin'izay momba ny fivarotana itony « petara » itony, satria maro no tsy mahatanty ny fanapoahana azy etsy sy eroa. Mila mailo anefa amin'izy io, satria ny toy izao no fanararaotan'ny jiolahy amin'ny fandrobana amin'ny fitaovam-piadiana isan-karazany. Mety ho tena basy no mipoaka, nefa heverin'ny maro (...)
  • Zakan’ny hafa ve tsy ho zakantsika

    jeudi 19 juin 2008 | Naivo kely |  530 visites
    Tafakatra 140 dolara izao ny barila ny solika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena. Mihoron-koditra izao tontolo izao, satria tsy ho voafehy ny fidangan'ny vidim-piainana. Misy ny fivoriana ataon'ireo firenena matanjaka mivondrona ao amin'ny G-8 izay handinihan'izy ireo izay hanampiana ny firenena mety ho saron'ny fahantrana amin'izao fidangan'ny vidin'ny solika izao. Nampetraka ny sora-bola entina hamatsiana haingana ireny firenena ireny, izay samy nanaiky ny hanaovana izany avokoa ireo (...)
  • Mitaraina ingahy Ministra

    mercredi 18 juin 2008 | Naivo kely |  823 visites
    Toa mitombona ny ahiahian'ny maro. Miraraka toy ny havandra ny vola fanampiana avy amin'ny mpamatsy vola mahazatra. Mbola ara-taratasy io, ary efa misy ny ampahany azo. Toa tsy maharaka ny asa ataontsika anefa ny vola atosak'iretsy farany eto amintsika, ka mitarazoka ny asa tokony ho atao. Isan'ny nampitaraina ny ministry ny toe-karena io raha nanao tatitra tamin'ny loholona izy omaly. Toa misy mpanelanelana hatrany ny fahatongavan'ny vola eto amintsika. Toa tsy misy fifampitokisana izany. (...)
  • Izay mahavangivangy tian-kavana

    mardi 17 juin 2008 | Naivo kely |  690 visites
    Nahazo izay niriany avokoa ny faritra izay nolalovan'ny filoha Ravalomanana. Tsapa io raha nanao fitsidihana tany amin'iny faritra atsimon'ny nosy iny ny tenany. Fangatahana nataon'ireo lehiben'ny faritra dimy tany an-toerana, izay tsy nisy nolaviny fa ho azony izay niriany hampandrosoana ny faritra. Raha mahita izany ny maro, dia mba maniry ny hitsidihan'ny filoha ny faritra misy azy ny rehetra. Hita taratra fa misy asa mivaingana vita vetivety isaky ny faritra lalovany. Midika ve izany fa (...)
  • Mitabe tsy lanin’ny fahantrana

    lundi 16 juin 2008 | Penjy R. |  668 visites
    Misokatra ny varavarana ho an'ny olona tsara sitrapo rehetra. Ny finiavana hanao asa ho an'ny tanindrazana no tian'ny filoham-pirenena apetraka, ary tsy voatery ao anaty fitondrana vao afaka hiasa ho an'ny firenena. Teny efa fandre matetika io amin'ny antso nataon'ny filoha ankehitriny manoloana ny mpanohitra eto Madagasikara. Hatramin'izao anefa dia mbola mihenjan-droa ny tady eo amin'ny andaniny sy ny ankilany, na dia hita aza fa samy te-hametraka ny hambom-pony anjorom-bala fa ny (...)
  • Mafy izany te-ho vazaha

    samedi 14 juin 2008 | Naivo kely |  2044 visites
    Gasy tsy ho vazaha nahoviana. Io no heson-teny ataon'ny maro an'ireo tanora sy antitra te ho vazaha eto amin'ny tanàna. Vao mahita vazaha dia roboka ny gasy. Tsy resa-bola ihany, fa mba mizesta miaraka amin'ny vahiny e ! Na fomba fitafy na fomba firesaka, dia mitomany randrana tsy manendrika ny tena. Lokoina ny volo mba ho mena tahaka ny azy, ary raikitra ny teny vahiny, fa sao mba lasa vozongo hoy ihany izy ireny. Tsy voahaja intsony ny maha-malagasy ny tena. Toa zary henatra ho an'ny hafa (...)
  • Ahiahy tsy hiavanana

    vendredi 13 juin 2008 | Penjy R. |  566 visites
    Mitohy ny fiofanana ataon'ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny any amin'ny faritra. Ny ben'ny tanàna no tena hifantohan'io fiofanana io, ary eo ihany koa ireo tompon'andraikitra isan-karazany toy ny mpitandro ny filaminana izay heverina fa tsy afa-misaraka amin'ny asa fampandrosoana eny anivon'ny faritra sy ny kaominina eny. Tsara ny fiofanana, satria fianarana hatrany ny fiainana, ary tsy nisy nateraka ahay hatrany ankibon-dreniny. Ny maika ny any ambanivolo, dia ny fametrahana ny barazy (...)
  • Lasa izao raha tsy mibolisatra

    jeudi 12 juin 2008 | Penjy R. |  780 visites
    Miaiky ny maro, fa mahay miresaka ny mpitondra antsika. Resiny lahatra avokoa izao tontolo izao, ary dia nirotsaka ny vola entina hanampiana ny tetikasa izay ho atao eto, dia ny MAP izany. Tafapetraka amin'ny tokony ho izy amin'izay i Madagasikara, hoy indray ny litanian'ny fanjakana. Ny mpamatsy vola aza niaiky izany, fa manana ny anjara toerany ity firenena malalantsika ity. Tsy misy intsony izany izao ny sakana, satria efa tafapetraka avokoa ny rafitra isan'ambaratongany. Ny olom-boafidy (...)
  • Omeo fialamboly ny vahoaka

    mercredi 11 juin 2008 | Naivo kely |  650 visites
    Kivy ny ankamaroan'ny mpitia baolina kitra raha nandre fa ampahan-dalao valo no azontsika arahina eto Madagasikara eo amin'ny lalao baolina kitra hiadiana ny amboaran'ny Eoropa. Lalao izay heverina fa hifantohan'ny sain'ny betsaka izy io, ary fialamboly sy fakana lesona ho antsika. Indrisy anefa fa toa lasa anjorom-bala ihany ny fahazoana mivantana ity lalao ity, ka ireo manan-katao afaka manaraka amin'ny "Parabole" sy "Canalsat" ihany no mahazo fahafinaretana. Toa miverina tampoka ao (...)
  • Nahazo aina

    mardi 10 juin 2008 | Penjy R. |  612 visites
    Rehefa tsy resy dia izay no zava-dehibe. Io no nanakoako tao ambavan'ny maro omaly momba ny lalao baolina kitra natao ny alahady lasa teo. Fihaonana izay nisarahana ady sahala tamin'i Cote d'Ivoire izay heverina fa mpilalao atahorana aty Afrika. Niezaka ny boay kely, ka ady sahala samy tsy nisy nitoko no hita tetsy Mahamasina.Nanao ny ainy tsy ho zavatra ny mpilalao malagasy, ka nahafaly ny maro, na dia hita aza fa mbola any amin'ny laharana faha-telo no misy antsika. Zatra ny nahita ny (...)
  • Lesona azo raisina

    lundi 9 juin 2008 | Penjy R. |  616 visites
    Vory ny vahoaka teo amin'ny sehatry ny fanatanjahan-tena omaly tontolo ny andro. Nanjaka ny fifankatiavana sy ny firaisan-kina teo amin'ny rehetra. Resy ny tsy fitovian-kevitra samy hafa. Nanomboka ny maraina, nandritra ny hazakazaka niainga tetsy Anosy nifarana teny Alarobia. Nitohy tamin'ny lalao baolina kitra tetsy Mahamasina, dia niray feo ny Malagasy nanambatra ny hery hampiakatra avo ny fanatanjahan-tena Malagasy. Niray hina ny hevitra tsy nitovy teo amin'ny lafiny fiainam-pirenena, (...)
  • kamo be tenda

    samedi 7 juin 2008 | Naivo kely |  779 visites
    Tsy nitsangatsangana fa nitady vola. Io no tian'ny filoha Ravalomanana hampitaina amin'ny vahoaka malagasy omaly raha vao nigadona indray teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny tenany. Vola mitentina 27 tapitrisa dolara no nambara fa azo, entina hiadiana amin'ny tsy fahampian-tsakafo. Tsy misy andraso andraso intsony izao, fa tonga dia vavany amin'ny lahasa izay atao. Novoriny maika ny ministra rehetra omaly, nanomezany ny toro-marika tokony ho atao. Hiditra amin'ny fanaovana voly (...)
  • Mahantra ambony harena

    vendredi 6 juin 2008 | Penjy R. |  839 visites
    Nosy maitso, nosy mavana, ary nosy manan-karena. Io no hiantsoan'ny vahiny ity Madagasikara misy antsika ity. Firenena manana ny maha izy azy, saingy toa tsy haintsika ny mampiasa ireo harena nomen-janahary antsika. Inona no harena tsy hita eto ? Ny solika aza efa miboiboika avy any ambanin'ny tany, saingy ny vahiny no mahazo vahana amin'izany. Toy izany koa ireo harena sesehena izay trandrahina ao Moramanga sy ao Ambatovy, ary Tolagnaro. Vola be no entin'ny vahiny mitrongy ireo harena (...)
  • Aiza avy ireo làlana nambara fa vita ?

    jeudi 5 juin 2008 | Naivo kely |  733 visites
    Ao anatin'ny tatitra tanteraka ny Governemanta. Misosa tsara koa etsy ankilany ireo hambara ho asa vita, raha raisina amin'io ny taona 2007. Mahatratra 1 382Km ny làlam-pirenena vita raha iny taona lasa iny, ary tao anatin'io ny narenina, raha 1.229Km no nokasaina ho atao. Ezaka lehibe io raha atao indray mijery. Faly ny marobe mandre izany, fa ny tsara ho fantatra, dia ny hoe : aiza ireo làlana vita ireo ? Mba hitan'ny vahoaka ve izany ezaka lehibe vitan'ny Governemanta sy ny (...)
  • Finoana arahin’asa

    mercredi 4 juin 2008 | Naivo kely |  833 visites
    Mila finoana ny zava-drehetra. Isan'ny teny famerimberin'ny filoha Ravalomanana io. Mbola nohamafisiny raha nijoro ho vavolombelona ny tenany nandritra ny fotoam-bavaka teny Faravohitra ny alahady lasa teo. Mikasika ny fiaramanidina Force one niainga tany Japon izay nahitana olana ara-teknika, sy ny fidinana tetsy Ivato nefa nisy zavona be ka saika nahodina tany Ambalamanasy Toamasina ny fiaramanidina. Nanome baiko ny mpanamory aho ny hidinany etsy Ivato, ary tody soaman-tsara. Izay no (...)
  • Ho tapahina ny karama

    lundi 2 juin 2008 | Penjy R. |  622 visites
    Tsy hihemotra amin’ny fitakiana ataonay izahay. Io no heno tamin’ny fanambarana nataon’ny mpiasan’ny Jirama. Ny zo maha-olona mihitsy no voakitika ka tsy azo leferina. Na dia efa nisy aza ny fanelanelanana nataon’ny tompon’andraikitry ny ministera misahana ny asam-panjakana dia hita ho niala maina ihany izy ireo. Tsy misy marimaritra iraisana eo amin’ny mpiasa sy ny mpampiasa, ka ny vahoaka mpanjifa no mizaka ny vokany. Manoloana ity fitokonana ity, dia mandeha ny feo fa mety ho tapahina ny (...)

0 | ... | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | 180 | 200 | 220 | 240 | ... | 500

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS