Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 00h27
 

Teny zato, kabary arivo

Mitaraina ingahy Ministra

mercredi 18 juin 2008 | Naivo kely

Toa mitombona ny ahiahian’ny maro. Miraraka toy ny havandra ny vola fanampiana avy amin’ny mpamatsy vola mahazatra. Mbola ara-taratasy io, ary efa misy ny ampahany azo. Toa tsy maharaka ny asa ataontsika anefa ny vola atosak’iretsy farany eto amintsika, ka mitarazoka ny asa tokony ho atao.

Isan’ny nampitaraina ny ministry ny toe-karena io raha nanao tatitra tamin’ny loholona izy omaly. Toa misy mpanelanelana hatrany ny fahatongavan’ny vola eto amintsika. Toa tsy misy fifampitokisana izany. Efa nahatezitra ny filoha Ravalomanana io fomba fiasan’ny mpamatsy vola io tetsy Tsaralalana raha nitokana asa teny ny filoha taona vitsy lasa izay. Ny vola trosaintsika io anefa dia averina fa tsy omena fotsiny. Ekena fa tsy maintsy misy ny fepetra tokony harahina amin’ny famatsiam-bola tahaka izao, saingy isika no mitsara raha nahitana fahombiazana izany na tsia. Dia ho gaga ve isika raha maro no milaza fa manjanaka sy mitady harena ny mpamatsy vola vahiny, fa tsy mikatsaka ny hanasoa an’i Madagasikara ? Isan’ny fanehoan-kevitry ny fikambanana « Otrikafo » matetika io, ary toa omen’ny olona tsiny aza indraindray ity fikambanana ity ho miteniteny foana. Izay no hilana hienoana ny feon’ny maro, satria io naneho ny alahelony io ingahy ministra omaly manoloana itony famehezana ny vola tokony hanaovana asa eto Magagasikara itony. Dia ny vahiny hatrany ve no hibaiko ny toekarentsika vao ho tafarina ity nosy manankarena ity ? Izay no tokony hananantsika hambo amin’ny asa izay ho atao ho hitan’ny vahiny fa na misy azy na tsia dia ao amin’ny Malagasy ny finihavana hanarina ny tanindrazany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS