Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 12h28
 

Teny zato, kabary arivo

kamo be tenda

samedi 7 juin 2008 | Naivo kely

Tsy nitsangatsangana fa nitady vola. Io no tian’ny filoha Ravalomanana hampitaina amin’ny vahoaka malagasy omaly raha vao nigadona indray teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny tenany. Vola mitentina 27 tapitrisa dolara no nambara fa azo, entina hiadiana amin’ny tsy fahampian-tsakafo.

Tsy misy andraso andraso intsony izao, fa tonga dia vavany amin’ny lahasa izay atao. Novoriny maika ny ministra rehetra omaly, nanomezany ny toro-marika tokony ho atao. Hiditra amin’ny fanaovana voly avotra isika hamonjena ny olona sahirana eo amin’ny fivelomanana. Nalaza indray tao ho ao ity hambara fa krizy maneran-tany momba ny sakafo ity, ka isan’ireo firenena 22 ho tratran’io i Madagasikara. Fisoroana mialoha no atao ; ary isan’ny antony lehibe nanampian’ny mpamatsy vola mahazatra antsika ny tokony hisoroana izany fahavoazana izany. Raha atao indray mijery ity tsy fahampian-tsakafo ity, dia efa ela ny malagasy no tsy ampy sakafo. Firy no efa mitaraina fa zara raha mahita vary ho arapaka isan’andro. Ny any ambanivolo rehetra any aza dia efa indray mandeha isan-kerinandro vao mahita izany sosoa be ranony izany, satria tsy takatry ny fahefa-mividy ny kapoakam-bary. Ny hita anefa dia ny fitanisana hatrany ny tarehi-marika amin’ny fitombon’ny harin-karena no nimatesan-tsika andro aman’alina.

Izao ve ao mahatsapa isika fa mikiky eto amin’ny firenena ny fahantrana ? Izay ilay tokony hipetrahan’ny fihainoana ny feom-bahoaka. Tonga Ravalo nitondra vola. Hiroso ny asa amin’ny fambolena. Tsy hilana fangataham-bola lava any ivelany ny fanaovana voly avotra, satria ampy tsara hamokarana ny toe-trandro eto Madagasikara. Ny fahazotoana sisa angaha no tsy ampy, nefa ho hitan’ny havany eo, izay olona miniha ho kamo be tenda eo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS