Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 09h28
 

Teny zato, kabary arivo

Finoana arahin’asa

mercredi 4 juin 2008 | Naivo kely

Mila finoana ny zava-drehetra. Isan’ny teny famerimberin’ny filoha Ravalomanana io. Mbola nohamafisiny raha nijoro ho vavolombelona ny tenany nandritra ny fotoam-bavaka teny Faravohitra ny alahady lasa teo. Mikasika ny fiaramanidina Force one niainga tany Japon izay nahitana olana ara-teknika, sy ny fidinana tetsy Ivato nefa nisy zavona be ka saika nahodina tany Ambalamanasy Toamasina ny fiaramanidina. Nanome baiko ny mpanamory aho ny hidinany etsy Ivato, ary tody soaman-tsara. Izay no hilaina ny finoana.

Toa miantso ny vahoaka Malagasy hanana finoana hatrany amin’ny asa izay atao. Tsy vitan’ny minoa fotsiny fa tsy maintsy misy ezaka atao. Tsy azo lavina fa kely finoana ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy, noho ireo fampanantenana lava natao taminy. Ny hita anefa, dia ny kely teo ampela-tanany indray no nanimbinana. Misy aza ny fongana tanteraka. Toa tsy hita fototra ilay teny mamy tany aloha hoe eto miakatra ity firenena ity. Toy izany koa ny filazana fa hampanana ny mbola tsy manana, ary tsy haka ny efa manana. Izay tokoa ve no zava-misy ankehitriny ? Toa tsy maharesy lahatra ny maro intsony ny fampanantenana atao aminy. Ny vary ho harapany anio aza tsy hitany, ka ampitso inona no antenainy hamirapiratra ? Tsy ho gaga isika raha maro no miasa tsy vokatry ny fony intsony, satria na dia mitsemboka toy ny inona aza izy, dia ny sarotra omaly mbola mafy noho ny anio. Nefa izany ve no hanariana toky ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS