Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 04h07
 

Teny zato, kabary arivo

Zakan’ny hafa ve tsy ho zakantsika

jeudi 19 juin 2008 | Naivo kely

Tafakatra 140 dolara izao ny barila ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Mihoron-koditra izao tontolo izao, satria tsy ho voafehy ny fidangan’ny vidim-piainana. Misy ny fivoriana ataon’ireo firenena matanjaka mivondrona ao amin’ny G-8 izay handinihan’izy ireo izay hanampiana ny firenena mety ho saron’ny fahantrana amin’izao fidangan’ny vidin’ny solika izao. Nampetraka ny sora-bola entina hamatsiana haingana ireny firenena ireny, izay samy nanaiky ny hanaovana izany avokoa ireo minitry tafavory tany Japon. Vonona ny banky iraisam-pirenena amin’io, ary tsapa fa mitovy ny fomba fijerin’ireto firenena matanjaka eran-tany ireto ny hamatsiana haingana ireo hita fa ho tratrin’ny mosary.

Raha ho antsika eto Madagasikara manokana, dia hita fa misoko mangina toa ron-gisa ny vidin’ny nary tao anatin’ny andro vitsy monja izay. Na dia tsy mbola niakatra aza ny saran-dalana, dia efa mampihantra ny azy ny mpivarotra sasany. Tsapa anefa fa vary tahiry tao amin’izy ireny nandritra ny volana vitsy ihany ireto amidy amin’ny vidiny lafo ireto. Zakan’ny hafa ve tsy ho zakantsika hoy ny mpivarotra sasany, raha mampitaha ny vidin’ny vary any ivelany sy ny eto antoerana izy ireo.

Dia izay hatrany ve no fomba fifampitaizana eto. Tsy ho gaga isika raha mihazakazaka be ny fiakatr’io vidim-bary io, satria isika samy isika ihany no mifambotry ampitoerana eto. Ny vahoaka madinika hatrany anefa no voa amin’io, fa ny manan-katao mahavidy na iray alina ariary aza ny iray kilao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS