Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 12h32
 

Teny zato, kabary arivo

Aiza avy ireo làlana nambara fa vita ?

jeudi 5 juin 2008 | Naivo kely

Ao anatin’ny tatitra tanteraka ny Governemanta. Misosa tsara koa etsy ankilany ireo hambara ho asa vita, raha raisina amin’io ny taona 2007. Mahatratra 1 382Km ny làlam-pirenena vita raha iny taona lasa iny, ary tao anatin’io ny narenina, raha 1.229Km no nokasaina ho atao.

Ezaka lehibe io raha atao indray mijery.

Faly ny marobe mandre izany, fa ny tsara ho fantatra, dia ny hoe : aiza ireo làlana vita ireo ? Mba hitan’ny vahoaka ve izany ezaka lehibe vitan’ny Governemanta sy ny fitondram-panjakana izany ? Ny tsapa mantsy, dia an’arivony kilometatra isan-taona no hambara ho vita, nefa raha vao mivoaka amin’ny faritra kely fotsiny, dia sahirana amin’ny tsy fisian’ny làlana, na ny haratsiny. Raha tsapan’ny vahoaka io, dia adalan’izay tsy mahay mankasitraka. Zary efa mankadilo ny maro mantsy ny fandrenesana tatitra isan-taona izao, nefa toa ny omaly tsy miova no hita isaky ny faritra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS