Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 09h11
 

Teny zato, kabary arivo

Izay mahavangivangy tian-kavana

mardi 17 juin 2008 | Naivo kely

Nahazo izay niriany avokoa ny faritra izay nolalovan’ny filoha Ravalomanana. Tsapa io raha nanao fitsidihana tany amin’iny faritra atsimon’ny nosy iny ny tenany. Fangatahana nataon’ireo lehiben’ny faritra dimy tany an-toerana, izay tsy nisy nolaviny fa ho azony izay niriany hampandrosoana ny faritra.

Raha mahita izany ny maro, dia mba maniry ny hitsidihan’ny filoha ny faritra misy azy ny rehetra. Hita taratra fa misy asa mivaingana vita vetivety isaky ny faritra lalovany. Midika ve izany fa miandry ny filoha handalo ny faritra vao misy asa mivaingana ? Izay mahavangivangy tokoa tian-kavana, ary hita fa tsy mamela ny faritra ho irery ny filoha fa midina ifotony mijery sy manampy izay lalovany. Dia iza indray no faritra ahazo ny anjarany manaraka ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS