Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 12h11
 

Articles dans la rubrique « Teny zato, kabary arivo »

  • Tsy fanariam-pako...

    vendredi 3 octobre 2008 | Hery A. |  632 visites
    Hentitra ny fanjakana ! tsy azo anariana entana tsy ilaina avy any ivelany any intsony eto. Ny ronono amin’ny boaty io nandraisan’ny fanjakana fanapahan-kevitra io. Henjana ny asa manomboka eto satria ilay ronono nandripaka zazakely tany Chine no tena ahiana ho tafiditra eto. Amin’ny ankapobeny dia an’ny sinoa ny 90ùn’ny entana vahiny miditra eto. Ny karazan’entana rehetra avy any dia tafiditra soa aman-tsara eto avokoa, eny fa na ny entana efa tsy manarapenitra eo amin’ny sehatry ny tsena (...)
  • Biriky, vato, tafo

    jeudi 2 octobre 2008 | Naivo kely |  987 visites
    Tsy hiady fototra, fa efa eo amintsika ny vato, biriky, ary efa hanafo isika. Io indray no malaza amin'ny lahatenin'ny filoha rehefa mikabary etsy sy eroa izy. Tsy mipetraka intsony ilay teny malaza tatsy ho atsy hoe tafapetraka izay ny fototra tao anatin'ny dimy taona. Toa efa miroso amin'ny fametrahana ny rindrina sy ny tafo ny mpitondra, ka afaka hialokaloka tsy amin-tahotra intsony ny malagasy rehetra. Izay tokoa ve no tena izy ? Tsy vitan'ny fitanisana ireo karazan'asa isan-karazany (...)
  • Dina ifampifehezana

    mercredi 1er octobre 2008 | Naivo kely |  892 visites
    Maharikoriko ny fomba famonoana olona ankehitriny eto Madagasikara. Mihoron-koditra ny vahoaka. Mieboebo ny mpanao ratsy, satria maro amin'izy ireo no mbola tsy tratra amin'izao fotoana izao. Manao izay ho afany ny mpitandro filaminana, saingy ireny mbola iarahana mahita ireny ny zava-misy. Manana akony ratsy any ivelany izany, ka mety hampihemotra ireo mpizaha tany tokony hiditra eto. Mamy ny miaina hoy ny maro ka aleo mailo. Tsy ho vitan'ny mpitandro ny filaminana irery anefa izany, fa (...)
  • Omaly tsy miova

    mardi 30 septembre 2008 | Naivo kely |  492 visites
    Ny mpiasa no antoky ny fampandrosoana. Miainga ao avokoa ny masinina mampihodina ny toe-karena rehetra. Tsy ho gaga isika raha mikatso tanteraka ny fiainam-bahoaka raha vao mitokona itony mpiasa itony, na io avy ao amin'ny fanjakana, na ihany koa avy amin'ny tsy miankina. Ny mpitondra izay mifandimby, dia atidoha fotsiny ihany amin'ireo tetika isan-karazany ampiasaina hanatsara ny fiainam-bahoaka. Ny mampalahelo anefa hatramin'izao, dia zary lasa faralahin'olona hatrany ny mpiasa, raha tsy (...)
  • Mazava ny resaka

    lundi 29 septembre 2008 | Naivo kely |  697 visites
    Hanaovana ozinina lehibe hamokatra sakafom-biby ilay toerana lehibe totofana etsy Andohatapenaka. Io no nambaran'ny filoha Ravalomanana raha vao tafaverina avy any New York izy. Mamokatra provandy hatramin'ny 25 taona isaky ny adin'ny iray io toerana io. Tanim-panjakana io hoy ny filoha, ka izao nirosoana izao ny fanajariana ny tany. Fiaraha-miasa eo amin'ny tsy miankina sy ny fanjakana ary ny FAO izao asa izao. Mazava amin'ny maro avy hatrany, raha vao miresaka izany ny filoha, fa hahazo (...)
  • Manindry ny TIM ny TGV

    samedi 27 septembre 2008 | Naivo kely |  882 visites
    Hifanotofana ny fizarana kahie ho an'ny zanaky ny sahirana eto andrenivohitra. Rariny ny toy izao, satria izay mba manana ny anjara masoandro no aoka hitsimbina ireo madinika ireo Nitarika ity fizarana fitaovam-pianarana ity voalohany ny TIM. Efatra isaky ny ankizy no natolotra tamin'izay. Mbola mitohy io hatramin'izao. Niditra an-tsehatra toy izany koa ny fikambanana samy hafa, izay tafiditra amin'ny fifaninanana masina. Soa tokoa fianatra, ka nanomboka omaly, dia nizara kahie isaky ny (...)
  • Lavitra ny lalana

    vendredi 26 septembre 2008 | Naivo kely |  576 visites
    Fanamby tsy maintsy mipetraka ny fampandrosoana ny firenena. Na zovy olona tafakatra eo, dia firenena aloha, vao ny fitiavan-tena. Ny mifanohitra amin'io, dia mampivarina an-kady ny tanindrazana. Lavitra ny lalana ho diavintsika raha nandre ny kabary nataon'ny filoha Ravalomanana tany New-York farany teo isika. Mila ny fanampiana ataon'ny firenena matanjaka i Madagasikara, vao ho tafavoaka amin'izao fahantrana izao. Ny sehatry ny fampianarana sy ny fandriampahalemana, dia vola be no (...)
  • Tantara mitohy

    jeudi 25 septembre 2008 | Naivo kely |  944 visites
    Misokitra biby an-davaka. Io no niantsoan'ny maro ilay fisavana indray ny trano fiasan'ingahy Roland Ratsiraka. Ben'ny tananan'i Toamasina teo aloha izay nahiditra am-ponja noho ny resa-bola tsy mazava teo amin'ny kaominina notantanany. Taorian'ny nivoahany ny fonja, dia niniha nangina ny tenany. Ireo anto mpiara-diha aminy kosa, dia mbola heno tetsy sy teroa ihany ny fanehoan-kevitra nataony. Nahasorena ny mpanara-baovao maro ihany ny nandre ny fihetsiky ny fanjakana nanao iny fisavana (...)
  • Entan-jaraina mora zaka

    mercredi 24 septembre 2008 | Naivo kely |  903 visites
    Any New York indray ny filoha Ravalomanana. Alina izy no nandray fitenenana teo anoloan'ny fivoriana natrehany. Araka ny efa voalaza teto amin'ity gazety ity, dia in-13 no lasa mivoaka any ivelany ny filoha malagasy tao anatin'ny roa volana monja. Raha atao indray mitopy maso ny zava-misy, dia toa tsy misy olona mahavita ireo asa afa-tsy ny filoha eto. Na hihaona amin'ireo mpandraharaha any ivelany aza, dia ny tenany no manao izany. Fa angaha tsy vitan'ny teknisiana malagasy na ny minisitra (...)
  • Tsy nidongy seza

    mardi 23 septembre 2008 | Naivo kely |  772 visites
    Tsy miandry raorao fa mahay manaja tena ny filoha Afrikana Tatsimo Thabo Mbeki, vokatry ny fitakian'ny antoko ANC izay misy azy. Raharaha niainga tamin'ny fitoriana an'i Jacob Zuma ho tafiditra tamin'ny resaka kolikoly nefa noafahan'ny fitsarana ity farany. Na dia mbola manana sivy volana aza ity filoha Afrikana tatsimo ity hitondrany ny firenena, dia nahay nanaja tena. Hametraka vonjimaika izay hitondra ity firenena ity ireo andrim-panjakana mpanao lalàna any amin'io firenena io alohan'ny (...)
  • Afa-tahotra

    lundi 22 septembre 2008 | Naivo kely |  667 visites
    Nisento tokana ny mponina raha vao nandre, fa tsy hisy ny fandravana trano, manoloana ny fanaovana ilay lalana migodana miainga eny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, mipaka hatraty Ankadimbahoaka. Voalaza aloha hatreto, fa ireo takela-by misy dokam-barotra manamorona ny lalana no tsy maintsy esorina amin'ny toerany. Afa-tahotra aloha hatreto ny maro manoloana ny mety ho fandravana ny trano fonenany. Hanomboka tsy ho ela ny asa, ary hiova hanaraka izany koa ny tontolo manodidina. Lalana (...)
  • Voaroaka tsy fidiny

    vendredi 19 septembre 2008 | Hery A. |  848 visites
    Manao ny fanisana ny mpivarotra amoron-dalana ny kaominina Antananarivo ary nampanantena fa hampidirina ho ara-dalàna ireo mpivarotra ka hanome tsena hivarotana. Fanavotana tokoa tsy misy ohatr’ity satria mba misy mpandraharaha mahatsapa ihany fa tsy safidin’ny malagasy akory ny hivarotra amoron-dalana. Fantatry ny ben’ny tanana fa ireo mpiasan’ny orinasa afakaba voaroaka tato ho ato noho ny fikatonan’ny orinasa no nampitombo isa ny mpivarotra amoron-dalana. Tao anatin’ny 15 andro farany dia (...)
  • Nangingina…

    jeudi 18 septembre 2008 | Hery A. |  812 visites
    Tsy faly indray ny mpanao politika sasany fa rava hatreo ny nofinofy efa lasa lavitra. «Ho raikitra ity !» hoy ny sasany «nanaraom-pako» tamin’iny raharahan’ny kaominina sy ny Samva ary ny fanjakana iny. Ny fidinana eny amin’ny kianjan’ny 13 mey sisa no nandrasana dia vaky indray ny sarom-bilany. Indrisy ! lasa nanaraka ny mpamorona azy iny tononkalo iny. Sarotra ny hino fa hisy afaka handimby an’i Rado, nahazo fandresena tamin’ny alalan’ny asa soratra. Ny ben’ny tananan’Antananarivo nantenaina ho (...)
  • Tsy hay kosehina

    mercredi 17 septembre 2008 | Naivo kely |  802 visites
    Lasa ilay kintan'ny haisoratra Malagasy. Tsy nisy izay tsy niventso ny sangan'asany ny ankamaroan'ny Malagasy. Iza tokoa no tsy ahafantatra an'i Rado, raha tsy hireny afa-tsy ilay tononkalo manao hoe "vola fitompolo sisa teny antanany". Fandalovana ny tany, ary ireo izay nahay nanararaotra nametraka ny soa sy ny tsara teto, dia mipetraka ho olomangan'ny firenena. Izay mifanohitra amin'izany kosa, dia aza ho gaga raha tsy misy mpanontany. Manana ny anjara toerany ny haisoratra eto amintsika, (...)
  • « Tsy gasy, tsy vazaha »

    mardi 16 septembre 2008 | Naivo kely |  1067 visites
    "Ny teny : nianarako nibada, nianarako ny Dada..."Tenin-dreny", hoy ireo manam-pahaizana. Tamin'ny teny vazaha hatrany no nandikàna azy ka nambara hoe "langue maternelle". Voambolana vaovao amin'ny sofina tokoa io, saingy mbola maro no mandika azy ho "tenin'ny Frantsa reny malala". Manomboka mazava ankehitriny fa miha mahazo laka ny teny malagasy. Hatramin'izay dia ny teny vahiny no nampiasaina teto Madagasikara, indrindra rehefa misy tera-tany vahiny iray manatrika fivoriana eo. (...)
  • Tsy kivy fa ketraka

    lundi 15 septembre 2008 | Naivo kely |  623 visites
    Faly sahirana ny mpianatra sy ny ray aman-dreny. Miandry ny vokatra fanindroany ataon’ny fanjakana momba ny fitsarana fanadinana kilasy famaranana farany teo. Faly ny mpianatra sy ny ray aman-dreny, satria ireo very fanantenana tany aloha, mbola manantena ny ho afaka amin’ity farany ity. Sahiran-tsaina ihany koa anefa satria tsy afaka ny hikarakaraka ny fidirana antsekoly, raha tsy mivaly ny fitsarana andiany faha-roa. Ny ministry ny fanabeazam-pirenena dia efa nitondra ny heviny manoloana (...)
  • Do-tandroka

    samedi 13 septembre 2008 | Naivo kely |  619 visites
    Tsy hisy fanjakana hanome bala hitifirana ny tenany. Dia mandeha ny resabe. Ny mangina amin'izao tsy mety, ka dia alefa avokoa ny do-tandroka hisehoana eo imason'ny mponina fa vonona ny hitarika ny vahoaka tsy hanaiky ny tsy rariny ny mpanohitra. Tsara rehefa tsy manaiky lembenana, ary dia nitazana izay ho fihetsiky ireo mpanohitra ny vahoaka. Tsapa anefa fa manjaka ao amin'ireto mpanohitra ireto ny hakanosana. Ny antony dia mety ho ny tahotra ny tsy ahazaka olona na ny fisamborana miafara (...)
  • Sasanangy mitovy

    vendredi 12 septembre 2008 | Naivo kely |  715 visites
    Afaka ny gadrako. Io no sento tokana tao an-tsain'ingahy Henri Lecacheur, saingy mbola misy sazy mihantona telo volona lolohaviny taorian'iny didy nivoaka iny. Malalaka amin'ny fanehoany ny didy avoakany ny fitsarana, ary tsy hisy afaka hanelingelina azy amin'izany. Lasa ihany anefa ny saina nahita iny fanapahan-kevitra nivoaka iny. Fanohitohina ny filaminana anatiny sy fitarihana vahoaka andalam-be tsy nahazoana alalana no vesatra niampangana azy. mItovy tsy nisy valaka tamin'ny (...)
  • Lasa jono i Andry TGV

    jeudi 11 septembre 2008 | Naivo kely |  1346 visites
    Rehefa tsy Antananarivo no mihetsika, zava-poana izay kasaina atao. Tsy ho gaga amin'izany isika, satria Antananarivo no Renivohitry Madagasikara. Mitranga ny olana eo amin'ny fanjakana sy ny kaominina eto an-drenivohitra. Samy naneho ny heviny ny mpanohana ny andaniny sy ny ankilany, ary farany teo dia ingahy ben'ny tanàna, Andry Rajoelina mihitsy no nampiakam-peo. Tsy hiverenana ny amin'iny, fa tsapa kosa dia ny fidiran'ny hery politika isan-karazany amin'ity resaka ity. Tsy azo atao (...)
  • Tsy ampy serasera

    mercredi 10 septembre 2008 | Naivo kely |  591 visites
    Mateza roritina toy ny hena ambavan'antitra ny dotandroka eo amin'ny kaominina sy ny fanjakana. Isaky ny miposaka ny masoandro, dia mifanontany tena ny rehetra, hoe inona indray no hiseho? Tsy hidirana lalina eto androany ny karazana toreo ataon'ny eo anivon'ny kaominina, fa ny azo ambara, dia aleo hiseho fanta-bahoaka ny andraikitra sahanin'ny kaominina. Tsy ampy ny serasera miampita any amin'ny vahoaka, ka mifangaro voroka be ihany ny fomba fahitan'ny maro ity raharaha ity. Samy manamafy (...)

0 | 20 | 40 | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | ... | 500

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS