Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 07h20
 

Teny zato, kabary arivo

Biriky, vato, tafo

jeudi 2 octobre 2008 | Naivo kely

Tsy hiady fototra, fa efa eo amintsika ny vato, biriky, ary efa hanafo isika. Io indray no malaza amin’ny lahatenin’ny filoha rehefa mikabary etsy sy eroa izy. Tsy mipetraka intsony ilay teny malaza tatsy ho atsy hoe tafapetraka izay ny fototra tao anatin’ny dimy taona.

Toa efa miroso amin’ny fametrahana ny rindrina sy ny tafo ny mpitondra, ka afaka hialokaloka tsy amin-tahotra intsony ny malagasy rehetra. Izay tokoa ve no tena izy ? Tsy vitan’ny fitanisana ireo karazan’asa isan-karazany etsy sy eroa ny fiainam-pirenena. Ny vahoaka izay toa mahatsiaro fangirifiriana toa mitaraina hatrany, satria miha-milentika hatrany ny fiainany. Manaiky ny maro fa mihazakazaka ny fanatanterahana ny asa etsy sy eroa, ary tokony hipaka hatrany amin’ny ati-vilany hoy ny vahoaka ireny asa ireny. Mino isika fa aorian’izao fametrahana ny rindrina sy ny tafo izao, dia efa mba ny fanaka indray sisa no eritreretina. Sa hatreo ihany dia vita ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS