Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 07h33
 

Teny zato, kabary arivo

« Tsy gasy, tsy vazaha »

mardi 16 septembre 2008 | Naivo kely

« Ny teny : nianarako nibada, nianarako ny Dada... »Tenin-dreny« , hoy ireo manam-pahaizana. Tamin’ny teny vazaha hatrany no nandikàna azy ka nambara hoe »langue maternelle« . Voambolana vaovao amin’ny sofina tokoa io, saingy mbola maro no mandika azy ho »tenin’ny Frantsa reny malala« . Manomboka mazava ankehitriny fa miha mahazo laka ny teny malagasy. Hatramin’izay dia ny teny vahiny no nampiasaina teto Madagasikara, indrindra rehefa misy tera-tany vahiny iray manatrika fivoriana eo. Indraindray aza dia tsy Frantsay no manatrika eo, kanefa tsy azo najanona izany teny vahiny izany, ka nahatonga ny sasany hieritreritra ny »tenin-dreny malala« . Ka rahoviana tokoa no ho teny malagasy ranoray ny fivoriana isan-karazany ? Efa mandeha tsikelikely io ary hita taratra fa mahazo aina ery ny Malagasy eo amin’ny fivoriana, ary sahy maneho hevitra avy hatrany. Efa miezaka mamantatra ny tia-kambara koa ny vahiny ka rariny raha manontany ny Malagasy hafa. Ka inona no maharatsy ny fahaizana teny malagasy ? Ny teny vahiny anie ka tsy ho foana akory. Vahaolana goavana io fivoizana ny fahaizana teny malagasy miainga any ifotony io. Maro anie ny tanora ankehitriny no tsy mahafehy mihitsy ny teny malagasy e ! Kanefa koa tsy mahafehy ny teny vahiny ka sady »tsy gasy no tsy vazaha". Ka asakasak’ireo zanaky ny manan-katao raha sahy hampianatra ny zanany eny amin’ny EPP izy ireo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS